Nanao bemidina nizara zavatra teny La Réunion kely ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady narahin’ny mpikamban’ny governemanta maromaro, toy ny minisitra Benjamina Ramanantsoa, Henry Rabary-Njaka, Jean Anicet Andriamosarisoa, Maharante Jean de Dieu, Zafilahy Ying Vah, Mamy Lalatiana Andriamanarivo, Herilanto Raveloharison, Lantoniaina Rasoloelison, Onitiana Realy … omaly.
Ahitana tokantrano miisa 198 honenan’ny olona miisa 850 eny, ka fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroany. Nanome trano lay miisa 100 manana velarana 12m² tsirairay sy mahazaka olona 10 avy, vary 5kg, menaka 1L, siramamy 1kg, savony, ronono amin’ny boaty isan’olona ary vatomamy ho an’ny ankizy madinika ireto delegasionina mafonja avy amin’ny governemanta ireto. Nandritra izany ihany koa no nilazana fa hisy ny tetikasa fanajariana toeram-ponenan’ireo olona sahirana eny an-toerana, hiandraketan’ny minisitera eo anivon'ny fiadidian'ny Repoblika misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana, ny minisiteran’ny rano sy ny angovo, minisiteran’ny asa vaventy ary ny minisiteran’ny mponina. Hiantsoroka izany sy hiara-kiasa amin’ny fanjakana ihany koa ny orinasa Sogea sady hanohy ny fanadiovana ny lakandrano. Mihetsiketsika sy miezaka maka ny fon’Antananarivo ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany, ary tsikaritra ho may tokoa ny endim-boanjony, ka zary toa mampiseho fifaninanana amin’ny kaominina Antananarivo, raha tsy hilaza afa tsy io fanadiovana ny lakandrano sy ny fanaovana asa sosialy io. Tena mandeha amin’ny nahim-pony sa kosa akaiky ny fifidianana, ka dia mba mihetsiketsika satria tsy mba hita nanao zavatra tahaka izany teto Antananarivo hatramin’izay? Na izany na tsy izany anefa, dia tsara sy mendri-piderana ny fanaovan-javatra tahaka izany, saingy ny hirariana dia ny hoe mandeha mahitsy sy tsy misy ambadika politika na koa fanararaotana ny fahasahiranana sy fahoriam-bahoaka. Ny hita sy tsikaritra mantsy dia toa efa tsara homana ny endrika propagandy tamin’ny alalan’ny fampanaovana fanamiana “T-shirt” HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.