Nilaza ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa te hiroso lalina kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara rehefa avy nanatsara ny fitantanana sy nametraka ny fahamarinan-toeran’ny rafi-panjakana misy eto.
Drafitra goavana ny « Fisandratana 2030 », novelabelariny nandritra ny ora iray latsaka kely teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly hariva nanoloana ny solontenan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara nahitana mpitondra fanjakana, mpanao politika, mpandraharaha, mpianatra, mpamboly sy mpiompy, mpiasan’ny serasera sy ireo masoivoho vahiny monina eto. Mieritreritra ny hamorona asa hatramin’ny 5 tapitrisa hatramin’ny 2030 i Hery Rajaonarimampianina, hanetsika sy hanavao ny seha-pihariana rehetra, indrindra fa ny fambolena izay iasan’ny 80%-n’ny Malagasy. Raha 70% ny tahan’ny fahantrana ankehitriny dia ampidinina ho 30% afaka folo taona. Ho lohany aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara amin’ny 2030 raha ny vinan’ny filoham-pirenena, handrakotra ny tsenam-paritra ary havitrika amin’ny fanondranana entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy maintsy miara-mientana anefa isika, hoy izy. Tena ilaina ny sehatra tsy miankina. Tsy maintsy mahay miasa sy mahavita asa ny fitondram-panjakana. Nohamafisiny fa tsy misy fijerena tavan’olona na fiaviana fa araka ny mason-tsivana apetraka amin’ny fahaizana sy ny asa vita tsara (Méritocratie) ihany no hanomezana andraikitra ny olona iray. Aoka ny mpitondra hanome ohatra tsara eo amin’ny fitantanana, fiaina, fijery, fiteny eo amin’ny fiarahamonina (exemplarité), hoy ny filoham-pirenena. Nilaza koa izy fa hanohy ny fampihavanana, izay tsy misakana antsika hiasa. Maro ireo olona nametraka fanontaniana teny Iavoloha omaly no velon’ahiahy ny amin’ny hoe tena mitombina marina ve io Vina io, ary hahavita hanatanteraka izany ve ny ekipa miaraka amin’i Hery Rajaonarimampianina ? Ahoana ny momba ny « Taux de change » satria efa tena latsaka ambany ny sandan’ny vola Malagasy, hoy Atoa Fredy Rajaonera filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara. Tsy ho tanterakao io programanao io, raha tsy ovaina mihitsy aloha ny lalàmpanorenana ary mihavana ny Malagasy, hoy i Tabera Randriamanantsoa (CRN). Tsara sy nahaliana ny famelabelaran-kevitra nataon’ingahy filoha saingy tsy mbola maharesy lahatra ny hahatrarana azy rehefa mijery ny fomba fitantanana ny firenena sy ny zava-misy ankehitriny, hoy ny resaky ny olona maro teny Iavoloha omaly. Nilaza ny hitety faritra hanao famelabelaran-kevitra tahaka izao moa i Hery Rajaonarimampianina, fomba fiasa izay azo antoka fa misy ifandraisany amin’ny fifidianana ho avy ary mbola mampiahiahy ny maro hatrany amin’ny hafetsen’ny filoha maka tombony amin’ny tsy rariny amin’ireo kandida hafa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.