Politique

Rajaonarimampianina Miezaka manindry aloka an-dRavalomanana


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

In-telo miantaona tamin’ity volana ity no tafaraka tamina hetsika ara-pinoana

Andriamatoa isany Hery Rajaonarimampianina, filoham-pirenena am-perinasa sy Marc Ravalomanana filoham-pirenena teo aloha. Voalohany ny 2 aogositra tany amin’ny Tobin’Ankaramalaza (FLM), ny faharoa ny 20 aogositra tany Antsiranana (FJKM) ary ny fahatelo farany dia omaly alahady 27 aogositra nandritra ny fihaonamben’ny ankizy Katolika faha-2 (EKAR) izay notanterahana tany Morondava. Marihina fa samy olona novolavolain’ny Fjkm izy mirahalahy ireo ary tsy vahiny amin’ny resaka finoana. Ny rahalahin’ny filoha Rajaonarimampianina aza moa dia mpitandrina Fjkm mihitsy. Fa ny manomboka manintona ny sain’ny mpanara-baovao dia ilay tranga tany Antsiranana nandritra ny fanompoam-pivavahana lehibe ka nilazan’i Hery Rajaonarimampianina ampahibemaso hoe : «  isaorana ny prezida Ravalomanana amin’ny fahazotoam-po ananany eo amin’ny fitarihana ny komity mpikarakara ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fjkm. Irariana hahavita be ianao ary hiasa ho an’ny Fiangonana fa aleo ny politika sy ny fitantanana ny firenena ataonay ». Efa nisy ilay resaka fandroahana tao amin’ny hotely mialoha io, ny resaka fanamiana miaramila nisaloran’ny filoham-pirenena sy ny seho vahoaka sy lomano nataon’ny roa tonta teny Ramena. Toa efa naneno ny kiririoka ka mifanarakaraka sy mifampitady erak’i Madagasikara amin’izay izy mirahalahy ireto .Tranga izay toa efa tandindon’ny 2018 sahady rehefa tonga ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika. I Marc Ravalomanana dia efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa kandida, raha toa ka mbola manjavozavo ny momba an’i Hery Rajaonarimampianina saingy rehefa halalinina ny zavatra ataony, ny fihetsiny sy ny fomba firesany dia efa manoman-tena amin’io fifidianana io ihany koa ity filoha am-perinasa ity ary manomboka manindry aloka an’i Marc Ravalomanana io amin’izay. Mazava be mantsy ny kajy amin’izao fotoana fa tena mbola maro mpankafy amin’ny faritra rehetra tsidihany i Dadavalo ary tena mbola manana olona ny antokony dia ny Tiako i Madagasikara, izany hoe hahazo vato betsaka rehefa tonga ny fifidianana. Azo antoka fa mahatsapa tsara an’izany ny antokon’ny fitondrana ka io atosika hanezakezaka io ny filoha Rajaonarimampianina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT