Politique

Rajaonarimampianina Miantso vonjy amin’ny FFKM


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Mihazakazaka ny toe-draharaha. Nihaona tamin’ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly tolakandro ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Tsy nisy ny fampandrenesana ofisaly tahaka ny fanaon’ny avy ao amin’ny fiadidian any repoblika amin’ny alalan’ny antso an-telefanonina sy ny fandefasana Sms na nyfampilazana amin’ny alalan’ny e mail.Midika izany fa fihaonana maika noho ny hamehana ity natao ity fa tsy tena tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filoha.

Mila vonjy

Nihidy aman-trano izy ireo, tsy nisy ny vaovao nipika, nympanao gazety rahateo tsy navela niditra tao an-dapa fa vao tety ivelany dia voasakana. Mitranga ny ampitson’ny nandaniana maimaika ilay lalàna mifehy ny serasera izao fihaonana tampoka izao, heverina fa tsy kisendrasendra anefa fa misy antony mazava tsara ; re araka ny angom-baovao natao fa nyfiloham-pirenena no nampiantso ireto filoham-piangonana avy ao amin’ny FFKM ireto. Mafimafy ihany ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tato anatin’ny iray volana teo ho eo izay eo amin’ny sehatra rehetra mihitsy, koa inoana naka ny hevitr’ireto raiamandreny am-panahy ireto ny filoha, mety ho niantso vonjy ihany koa satria efa tena henjana ny fanakiana, be loatra ny tandrevaka sy kitoatoa ataon’ny fitondram-panjakana, fanapahan-kevitra hafahafa foana no raisina. Efa leo ny olona, ary manomboka mijoro etsy sy eroa ny vondrona mitaky ny fametraham-pialan’ny filoha sy ny hirosoana amina fifidianana mialoha ny fotoana. Tsy nisy moa ny tatitra na fampitam-baovao ofisialy taorian’izao dinika izao, saingy azo antoka fa misy ifandraisany amin’ny resaka fampihavanam-pirenena ihany koa ilay izy ary noho ilay savorovoro sy fifandirana misy dia ny FFKM no afaka maka ny toeran’ny mpanelanelana ka hampitony ny an-daniny sy ny an-kilany. Azo heverina noho izany fa efa manomboka tapi-dalan-kaleha i Hery Rajaonarimampianina ka io mila vonjy amin’ny Fiangonana io.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT