Politique

Rajaonarimampianina Mametra-pialana raha hendry


  • Alakamisy 02 Febroary 2017

Mbola ho ela vao higadona ny taona 2018, hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena vaovao, hahafahan’ny vahoaka mametraka izay olona heverina ho mahavita azy.

Sarotra ny hino hoe hisy fiovana ao anatin’ny fotoana fohy, saingy samy maniry ny hiovan’ny mpitantana eto amin’ny firenena ny ankamaroan'ny olona. Leo sy tofoka tanteraka an’izao fitondrana izao ny vahoaka saingy tsy te hikorontana na hanongam-panjakana satria ny ferin’ny tamin’ny 2009 aza tsy mikombona, ary tsy ara-dalàna rahateo. Maniry ny fanajan-tena ataon’ny mpitondra ankehitriny ny maro an’isa, ary maro ny mpandinika milaza fa raha sanatria ka mbola i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM no hiverina eo amin’ny fitondrana amin’ny 2018 noho ny kajikajy isan-karazany, dia ho zava-doza. Na inona na inona fanazavana sy fialana bala ataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, dia voaporofo fa tsy zakany intsony ny fitantanana an’i Madagasikara. Samy manaiky ny rehetra fa tsy mora ny fitantanana firenena ary tsy tokony hifanome tsiny lava, saingy diso tafahoatra ny hadalan’ny mpitondra ankehitriny sy ny tsy fahaizany mitantana. Arakaraka ny fahasahiranam-bahoaka no toa vao mainka mampidingin-drambo ny fanjakana HVM.

Kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra...

         Manjaka ny kolikoly, ka olona ao an-dapa no tena malaza ratsy. Sesilany ny fivarotana tanindrazana sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Na ireo olona manodidina azy aza efa tena tsy voafehin’i Hery Rajaonarimampianina, ka manao izay saim-pantany sy toa mampijabaka sy mandoto hatrany ny anaran’ny filoha. Efa tena sokajian’ny maro fa voadidina « mafia » mihitsy ny filoham-pirenentsika, ka zary saribakoly sy toa ataon’ireo manodidina azy ho tohatra fiakarana amin’ny afera maizina sy ny fangoronan-karena. Ny fiainan’ny Malagasy efa tena mikorosy fahana andro aman’alina fa ny an’ny mpitondra kosa mitombo isan’ora ny harena. Sesilany ny fandaniam-bola isan-karazany tamin’ny Comesa, Frankofonia … saingy nitondra inona ho an’ny sarambabem-bahoaka moa izany ? Io firongatry ny fitsaram-bahoaka io no porofo mivaingana fa tsy mahafehy an'i Madagasikara ny fitondrana HVM na mody fanina, ary vao miha aza loza raha izay tokoa fa fitondrana tia tena izany no mijoro eto fa tsy fitondrana tompon'andraikitra sy manasoa vahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT