Politique

Rajaonarimampianina Hanadio ireo manodidina azy ?


  • Talata 06 Desambra 2016

Tsy dia tompon’ny fahefana sy tsy masi-mandidy eto amin’ny firenena intsony ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

 Efa ela no tsikaritra fa toa ireo olona manodidina azy izay malaza ho tompon’ny vola sy ny harena ary ny afera no mibaiko sy tena mitondra ny firenena. Anarana maro no efa malaza toa an-dry Herisoa Razafindrakoto, izay malaza fa baiko avy aminy ny fametrahana olona ambony toy ny minisitra, fa tsy dia afaka miteny firy ny filoha. Efa malaza hatramin’izay amin’ny afera maizina ny anaran’i Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah, Nicole Randrianarison. Tsy azo kitikitihina ary afaka manao izay tiany hatao eto amin’ny firenena ireo olona akaiky ny filoha nefa tsy afaka mikofoka i Hery Rajaonarimampianina manoloana ny fanjakazakana ataon’izy ireo. Very hevitra ny filoham-pirenena ankehitriny amin’ny afitsok’ireo mpiara-miasa aminy sy ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola. An-daniny, takian’ny mpamatsy vola mba hahafaha-misitraka ireo fampindramam-bola ny fisian’ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly, izay ireo olona manodidina azy no tena malaza ratsy sy tokony hohenjehina. Tsy maintsy havoaka, ohatra, ny marina mikasika ny fanondranana andramena, izay olona akaiky ny fitondrana ihany no voatonona, toa an’i Bekasy izay efa nampandosirin’ny fanjakana. An-kilany, tsy voafehiny ireo olona manodidina azy ary toy ny mampiady azy amin’ny mpamatsy vola ny mbola hitazonana ireo olona efa malaza ratsy ireo amin’ny toerany. Tsy maintsy misafidy anefa ny filoha ary efa mandeha ny resaka fa miara-dalana amin’ny mpamatsy vola ny tenany ary mety hanadio ireo manodidina azy. Efa mivoaka, ohatra, ny resaka amin’ny mety hisian’ny fanovana governemanta sy fanovana ireo tandapa sy mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT