Politique

Rajaonarimampianina Hahay hanaja tena ve ?


  • Talata 06 Febroary 2018

Na hihodin-kavia na hihodin-kavanana i Hery Rajaonarimampianina sy ny fanjakana HVM, dia tsy azo lavina fa tsy mankasitraka ny hitantanany ny firenena intsony ny ankamaroan’ny Malagasy.

Tsy resy lahatra aminy ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena na dia nireharehana aza fa niverina ny fitokisan’izy ireo taorian’ny fifidianana ka nahalany an-dRajaonarimampianina. Tao anatin’ny 4 taona nitondrany anefa dia masoivoho any ivelany miisa 3 no voatendrin’ny fanjakana Malagasy. Midika izany fa tsy nahomby ny diplomasian’ny HVM. Mandeha an-jabany sy tsy misy sori-dalana mazava ny zava-drehetra, ka miankina amin’ny zava-miseho no handraisana andraikitra. Mena ny tondro rehetra, ary niha sahirana andro aman’alina ny vahoaka saingy vahaolana petatoko sy fampanantenana poak’aty no tena betsaka. Nilaza ho nampihena 22% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara ny fanjakana HVM, izay tsy fantatra ny porofo sy mason-tsivana amin’izany. Ny tsy azo lavina dia niakatra ny vidim-bary, nidangana ary efa tafakatra 4000Ar ny sandan’ny ariary mitaha amin’ny Euro, izao dia mbola mandrebireby saim-bahoaka amin’ilay ambara fa vina “Fisandratana 2030”. Ambany dia ambany ny taham-pankafizan’ny Malagasy ny fitondrana ankehitriny, ary azo antoka fa fantatry ny HVM tsara izany. Anisan’ny mpaka tahaka sy mpandika ny politikan’ny Frantsay isika. Mba hanam-pahendrena sy fanetren-tena, toy ny filoha frantsay teo aloha François Hollande ve i Hery Rajaonarimampianina ? Tsy misy mahasamihafa azy ireo mihitsy teo amin’ny taham-pankafizan’ny vahoaka tany amin’ny fiafaran’ny taom-piasana. Ny an’ny filoha Frantsay teo aloha aza angamba mety mbola ambony kokoa ny fankafizan’ny vahoaka azy, saingy nisafidy ny nanaja tena tsy nirotsaka intsony izy. I Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany kosa mbola minia midingin-drambo sy manao letrezana. Mametraka rafitra mampahazo vahana azy dia ny tsy famoahana ny datim-pifidianana, fanovana amboletra ny lalàna, famotehana ny kandida atahorana … Toa mizotra any amin’ny fanemorana ny fifidianana mihitsy aza isika mba hahafahana mibodo fahefana. Tofoka sy leo ny Malagasy, saingy minia manery azy hankato ny mpitondra efa halany ny HVM. Rehefa feno anefa ny kapoakan’ny vahoaka tsy maintsy hitobaka ihany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT