Politique

Rajaonarimampianina Filoha tsangan’olona fotsiny


  • Alatsinainy 18 Aprily 2016

Nihodinkodina am-pitoerana tao anatin’ny roa taona sy tapany ny fitondrana HVM

 

. Niova praiminisitra in-telo fa tsy hita ihany izay tena zava-bita. Miha miakatra ny feo amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana filoha mialoha ny fotoana satria hita fa tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Voafandrika

Tany am-piandohana dia efa latsaka tao anaty velapandrika i Hery Rajaonarimampianina. Lasa kandida filoha tampoka izy na dia tsy tena niomana tamin’izany aza. Nisisika nanohana ara-bola azy ireo mpandraharaha maro izay misy amin’izy ireo tafiditra anatina afera maloto tahaka ny boaderozy, ohatra. Niady tamin’ny Mapar izay fianakaviana politikany tany am-boalohany i Hery Rajaonarimampianina ary nanao letrezana nanangana ny HVM ary tena nampiasa ny fahefam-panjakana nanaovana izany. Voaresaka matetika any anaty etamazaoro politika ihany koa fa miditra lalina loatra amin’ny fiainam-pirenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina vadin’Atoa filoham-pirenena, ary tena sahirana manoloana izany ny filoha satria mifangaro eto ny resaky ny mpivady sy ny fitantanana ny firenena. An-kilan’izay, misy amin’ireo mpanolotsaina sy mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha ihany koa no manao ny ataony, mitsoka ny mafana sy ny mangatsiaka ary azo atao mihitsy hoe tompon’ny fanapahan-kevitra ao an-dapa ao. Ao koa ireo mampiesona sy mampidi-kizo tsotra izao ny filoha ka mahatonga azy handray fanapahan-kevitra sadasada.

Tsy maintsy miera

Ny sehatra iraisam-pirenena koa anefa dia manindry mafy ny filoha mba hanaraka ireo fepetra napetrany raha tiany ny hahazo famatsiam-bola. Midika izany fa tena tafiditra ao anaty vovo ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary tsy tompon’ny fanapahan-kevitra fa tsy maintsy miera amin’ny an-daniny sy ny an-kilany foana. Ka inona moa fa dia filoham-pirenena tsangan’olona fotsiny atao haingon-dapa no misy eto, fa ny tandapa sy ny be afera no tena mitondra ny baolina !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT