Politique

Rajaonarimampianina


  • Zoma 10 Jona 2016

Hitokana ny ivontoeram-pandoavan-ketra eny Alasora anio amin’ny 11 ora maraina ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Handray ny ekipam-pirenena amin’ny taranja rugby sy ny atleta mpiangaly ny fibatana fonjam-by eny Iavoloha kosa izy ny tolakandro.

CENI

Ho avy eny Alarobia eny amn’ny foiben’ny CENI anio zoma amin’ny 10 ora maraina ny masoivohon’i Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara. Hisy ny fihaonana manokana ataon’ny amin’ny filohan’ny CENI, fifidianana no votoatin-dresaka amin’izany.

Gefp 

Nahitam-bokatra ny fiverenan’i Madagasikara teo anivon’ny tsena Agoa. Manodidina ny 2 hetsy ireo asa hiforona ao anatin’ny sehatry ny orinasa afaka haba hatramin’ny taona 2020, hoy ny «Groupement des Entreprises Franches et Partenaires».

Fanomezan-dra 

Hankalaza ny andro manerantany ho an’ny fanomezan-dra i Madagasikara amin’ity taona ity. Homarihina ny 14 jona izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

LFR 

Ho tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny 20 jona izao ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2016. Tokony hivoaka ny 27 jona kosa ireo hevi-dehibe misongadina ao anatin’ity LFR ity.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT