Maivana.Izay no azo amintinana ny kabarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny takarivan’ny sabotsy 31 desambra 2016 lasa teo
.Ny teo ihany no miverina, fandokafan-tena, fanadiovan-tena, fampanantenana no nambara, tsy misy ny zava-baovao.Ny Malagasy rahateo, ireo izay mandinina sy mahara-baovao tsara dia tsy manantena zavatra firy intsony amin’ny fitondrana HVM izay mampiseho isan’andro ny tsy fahaizany mitantana.Milaza ingahy filoha fa dia tsy misy valaka amin’izay hiainan’ny vahoaka , hono no hiainany amin’ny toerana misy azy..dia tena mahatalanjona, izy izay nahavita niteny hoe : “porofoy amiko fa mahantra ny malagasy”.Ny taona ity vaovao, iaraha-mahalala tsara ny maha sarotra izany volana janoary izany kanefa dia indro fa nisondrotra ny vidin’ny gazoala izay lasa 3150 Ar ny litatra raha 3070 Ar izany teo aloha , nisondrotra torak’izany ny lasantsy ka lasa 3720 Ar raha toa ka 3640 Ar tamin’ny herintaona.Manantena ilay vola fanampiana nampanantenaina ho azo tamin’ny fivoriana tany Paris ny fitondram-panjakana ka mampanantena an’izatsy sy izaroa, tsara ho fantatra anefa fa henjana ny fepetra amin’ny famoahana ireny vola ireny ary mbola mampiahiahy ny maro koa ny fomba fitantanana ilay vola be rehefa azo avy eo.Iaraha-mahalala ihany mantsy ny fomba fanaon’ny manampahefana eto Madagasikara, ary maromaro ihany ireo olona malaza amin’ny fanaovana bizna manodidina an’i Hery Rajaonarimampianina.Asa moa izay mbola ho ambaran’ingahy filoha mandritra ny lanonana fifampiarahabana eny Iavoloha fa raha ny hita tamin’iny 2016 iny aloha dia nitombo ny fahorian’ny Malagasy ary tsy hita izay vahaolana tena mahomby avy amin’ny fitondrana HVM mba hamahana ny olan’ny : delestazy, ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy, ny fitsaram-bahoaka, ny fandrobana ny harem-pirenena.Resabe sy asa maimaika fanakona-maso no tena natao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.