Politique

Rajaonah Andrianjaka “Tsy mahay afa tsy mangata-bola ny mpitondra”


  • Alakamisy 28 Jolay 2016

Sesilany ny fanehoan-kevitra mahakasika ny tsy fahaiza-mitantana eto amin’ny firenena.

Naneho ny heviny indray ny antoko Otrikafo, tarihin’ingahy Rajaonah Andrianjaka omaly. Nitondrany kiana mivaivay ny fomba fiasan’ny mpitondra izay tsy misy mahay afa tsy ny mitangirika famatsiam-bola avy any ivelany. Tsy mila mirehareha amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ingahy Rajaonarimampianina ary tokony hahay maka lesona amin’ny zava-nisy tamin’ny fitondrana nifanesy teto amin’ny firenena, hoy Rajaonah Andrianjaka. Tsy nivantana ny filohan’ny otrikafo saingy nanindrom-paingotra amin’ny fisian’ny kolikoly avo lenta amin’ny fitantanana ireny vola famatsiam-bola ireny. Tsy misy tombontsoan’ny Malagasy ny famatsiam-bola fa mijanona ho kitranoantrano eo amin’ny mpitondra ny fampiasana sy fandaniana azy. Ankoatra izay, ny vahiny sy ny mpitondra no migalabona amin’ny harem-pirenena sy manao tantely afa-drakotra izany ankehitriny. Raha tsara tantana anefa ny harem-pirenena dia ireo vahiny indray no hanatona atsika sy hitady fiaraha-miasa saingy tsy izay ny zava-misy ankehitriny.

                                                                                                                      Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT