Politique

Rajaonah Andrianjaka sy ny Otrikafo Niala maina nanoloana ny Emmo reg


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

Niala maina indray ny Otrikafo notarihan’ny filohany, Rajaonah Andrianjaka tamin’ny sabotsy teo, tetsy amin’ny vavahady fidirana ao amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo.

 Vao nangiran-dratsy dia efa niatrana nanodidina ny zaridainan’Ambohijatovo ny miaramilan’ny Emmoreg marobe. Ny iray kamio teny ambony am-pivoahana ny tonelina Ambanidia, iray kamio hafa teo am-pitan’ny trano fivoahana ao amin’ity zaridaina ity ihany (ambony kelin’ny fokontany), iray kamio hafa tery amin’ny sampanan-dalana mihazo an’Ambatonakanga sy ho any Antaninarenina iny, kamio 4 be izao sy 4x4 4 ihany koa no teo anoloan’ny vavahadiben’Ambohijatovo nanoloana ny tsangambaton’ny 47. Nanodidina ny tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, nigadona teny an-toerana ny filohan’ny Otrikafo narahan’ny mpikambana vitsivitsy ary nanotrona azy teo ny mpanao gazety marobe (nihoatra noho ireo mpano fihetsiketsehana). Nifampiresaka nivantana tamin’ny mpitarika ireo mpitandro ny filaminana izy ireo ary nangataka ny hamohana ny vavahadin’ny kianja Atoa Rajaonah. Valin-teny tsotra no anefa azony dia ny hoe : “tsy afaka hanatanteraka izany izahay fa tsy nahazo alalana hiditra ao ianareo”. Tsy nisy fanoherana, tsy nisy baomba nipoaka fa niala moramora ny mpano fihetsiketsehana avy eo. Zary lasa teny vazivazin’ny teny an-toerana avy ny hoe : “ka ao ambany lavenona anie no misy ny otrikafo ê ! Tsy mahagaga raha tsy nahafana n’inona n’inona ny hetsiny”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT