Politique

Rajaonah Andrianjaka Harodana tanteraka ny tetezamita


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Tsy miova hevitra hatramin’izao ny fikambanana Otrikafo tarihan’Atoa Rajaonah Andrianjaka, izay mpikambana feno ao amin’ny Komity Fanavotam-pirenena (KFP).

 Aminy dia tsy hahavaha ny krizy ny tondrozotra. Tsy misy ilana ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, hoy Rajaonah Andrianjaka, fanadalana saim-bahoaka fotsiny izany. Efa niaraha-nahita, hoy izy, fa fandanian’andro sy fotoana fotsiny ary tsy nahitam-bahaolana ny fivoriana isan-karazany natao tany Maputo, Addis Abeba, Sandton, Pretoria. Sarotra, araka izany, ny hino fa hisy vahaolana tampoka amin’ny fihaonan’izy mianaka ireo. Efa nisy ny fihaonan’ny ankolafy efatra, nisy indray avy eo ny fihaonamben’ireo vondrona politika 10 nanasonia ny tondrozotra, izao ho avy indray ny fihaonan’olon-droa, fa mitovy ihany ny vokatra, hoy Rajaonah Andrianjaka dia ny fiitaran’ny krizy. Nambarany fa tsy ny tombontsoan’ny Malagasy mihitsy no arovan’ny SADC fa ny an’ireo firenena Anglosaxon, miteny anglisy, indrindra fa ny Amerikanina ka noho izany dia tsy misy antony tokony hianteherana amin’ny SADC. Ho an-dRajaonah Herinjaka dia tsy misy fifidianana ho vita izany eto satria tsy misy fitoniana mihitsy. Vahaolana arosony moa ny fiantsoana ny olona hidina an-dalambe mba handrodana tanteraka izao fitondrana tetezamita izao, ka hametrahana rafitra iray vaovao mihitsy.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT