Mitohy ny lonilony eo amin’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Maro no mametra-panontaniana hatramin’izao, inona marina no tena nampiady, ka nanilihan’ny HVM an-dRajoelina sy ny ekipany ?
Tany amin’ny fandrotsahana kandida dia efa nandeha ny disadisa satria i Edgard Razafindravahy no narotsaky ny TGV fa tsy i Hery Rajaonarimampianina velively. Mahalala tsiambaratelo maro anefa ny filoha ankehitriny izay minisitry ny vola, ka noheverin-dRajoelina fa afaka ny hiaro azy sy hobaikoiny tsara, hany ka notohanany ary navelany irery ny kandidan’ny TGV. Azon’ny MAPAR nofehezina tsara i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny tetezamita, ka nahafahany nanjakazaka sy nigalabona tamin’ny volam-panjakana na nangalatra tamin’ny fomba mihaja mihitsy. Ny ankamaroan’ireo olobe akaiky an-dRajoelina, tahaka an-dry Augustin Andriamananoro, Haja Resampa, Mamy Ravatomanga no voalaza fa tena mpibetroka sy nanao didin’ny be sandry tamin-dRajaonarimampianina. Nandeha ny propangandy, saingy tsy afa-niteny sy nikabary i Andry Rajoelina tamin’ny maha filohan’ny tetezamita azy, ka izy ireo no voalaza fa manoratra ny kabarin’ny filoha ankehitriny. Leo sy tsy nanaiky natao saribakoly intsony ity farany, ary tonga saina, ka nanomboka naka sisiny kokoa tamin’ireo ekipa nangoniny sy tena azony antoka. Anisan’ireny ry Mbola Rajaonah sy Claudine Razaimamonjy, izay tsy vao tamin’ity andron’ny HVM ity no nalaza ho mpanao afera sy mpanefoefo, izay nanampy betsaka ara-bola, ary tambin’izany taty aoriana ny famelana azy ireo malalaka sy fiarovana amin’ny bizina sy ny aferany. Efa nifanao vava Rajoelina sy ny tariny sy Rajaonarimampianina sy ny ekipany, saingy mbola nifanohantohana teny ihany tamin’ny fihodinana faharoa. Vao lany anefa ny filoha ankehitriny, dia ny nanilika an-dRajoelina sy ny MAPAR no nataony voalohany. Ananan-dRajaonarimampianina ny ankamaroan’ny dosie maloton-dRajoelina, ka efa tsara omana ny famadihana azy satria tsy afaka ny hikofoka. Ankilan’izay koa anefa mafy ny tsindry nataon’i Rajoelina sy ny MAPAR tamin’I Rajaonarimampianina ka niteraka disadisa, izy no nahatonga ny toeram-piasana roa karazana tamin’ny propagandy 2013 teny Antaninarenina sy Antanimena. Ankehitriny vao mody mifona sy manao mampalahelo i Andry Rajoelina kanefa raha ny tena marina dia iray tarika amin’ny filoha mpanorina ny HVM ihany amin’ny fampiesonana sy famitahana vahoaka izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.