Politique

Rajao sy Mahafaly Rava ny tsena


  • Zoma 19 Janoary 2018

Sanganehana ny mpanara-baovao omaly, noho ny tsy fahitana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nandritra ny fitokanana ny tranon’ny minisiteran’ny Indostria teny Anosy omaly.

 

 Hita teny an-toerana ny mpikamban’ny governemanta vitsivitsy fa tsy nipoitra teny an-toerana kosa ny praiminisitra. Raha ny omaly anefa, tsy nisy vanim-potoana lehibe naharaikitra azy, ka tsy maintsy mitsinjara asa ny mpitantana lehibe eto amin’ny firenena. Zavatra sokajiana ho lehibe ihany koa io vita io, ary fanaon’ny fanjakana HVM ny mampiseho ny heriny sy ny tanjany mihitsy rehefa toe-javatra tahaka izao, indrindra fa eto Antananarivo. Vao tsy ela akory fa ny 15 desambra 2017 no niara-nitokana ny toby fiantsonan’ny fiara teny Andohatapenaka izy ireo. Ny 12 janoary teo ihany koa dia niara-nitokana ny toby famokarana herinaratra Noor 1 sy Noor 2 an’ny orinasa Jovenna teny Ambohimanambola.  Inona kosa ary no mety antony tsy nandehanany teny Anosy omaly ? Tsy hoe miditra lalina amin’ny raharaha na ny fandaharam-potoanan’ny praiminisitra fa raha ny vaovao azo, dia teto Antananarivo ihany ny tenany. Mifamahofaho tanteraka sy mafana ny vaovao any an-dapa amin’izao momba ny hanoloana azy ao, ary efa tena adihevitra izany, raha ny loharanom-baovao azo. Re fa efa tena tsy te hitazona ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier intsony ny filoha Hery Rajaonarimampianina noho ny antony maro. Olana ho azy anefa ny fisian’ny olona akaiky ny filoha, izay voalaza fa manoro hevitra sy manakana azy tsy hikitikitika ny praiminisitra ankehitriny sao dia ho vaky eo ny afera rehetra niarahana tao anatin’ny fitondrana. Raha halalinina dia te hanala ny praiminisitra ankehitriny ny filoha saingy tsy afa-manoatra sy toa efa voageja noho ny afera niarahana. Zary lasa sorona hatramin’ny fitantanan-draharaha eto amin’ny tany sy ny fanjakana kanefa tsy afa-manoatra ny filoha. Raha ny resaka nivoaka sy nafana ny fiandohan’ny herinandro teo anefa dia re siosio hatramin’ny hoe tsara toerana handimby ny toeran’i Mahafaly Solonandrasana Olivier ny jeneraly Béni Xavie Rasolofonirina, minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny jeneraly Ralala Roger, sekeretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika. Raha ny fanazavan’ny olona iray ao anatin’ny fiadidian’ny primatiora kosa, dia fandaminan-draharaha ihany no tsy nahateo ny praiminisitra, izay toa sarotra inoana ihany. Re fa nanao fandraisam-peo momba ny fandaharana iray ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny tenany, izay azo nampandeferina raha nitaha tamin’ny zavatra natao teny Anosy. Toa manamafy fa efa naman’ny rava ny tsena eo aminy sy ny filoha, fa fihetsika ivelany sisa no miseho, raha ny fahitan’ny maro azy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT