Tsy mety tapitra ny tsy fifankahazoan-kevitra momba ny frankofonia. Ny mpanao politika tsy mitovy fijery amin’ny mpitondra dia efa iaraha-mahalala ny tsy fankasitrahana sy fanakianana ny fanatanterahana azy.
Tsy afaka hanao na inona na inona intsony anefa izy ireo raha ny fahitana azy satria efa tongotra mby an-dakana ny fahatanterahan’ny frankofonia. Nilaza ny hanao hetsika goavana ny mpanohitra saingy ny mahagaga dia mangina tanteraka izy ireo amin’izao. Mandeha ny resaka fa tsy sahy mihetsika izy ireo noho ny fampitahoran’ny mpitondra ka mikotrika hevitra ambadika hamelezana azy ireo. Misy ny mahatsikaritra ny fisian’ny mpanao politika manambitamby olona hilanja sorabaventy haseho ny vahiny mandritra io fihaonana io. Teny La Réunion kely, ohatra, omaly tolakandro dia mpanao politika iray no nisy nahatsikaritra nifampiresaka taman’olona mba hanao hetsika. Asa na fifanandrifian-javatra fa miparitaka any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy ankehitriny ny resaka fiantsoan’ny Kolonely Lylison ny tafika hihetsika manoloana ny fiainam-pirenena izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Tsy hay na ny tenany no ao ambadika fa ny sary sy ny anaran’ny kaonty ampiasaina dia amin’ny anarany. Tsy hay izay mety hiseho fa ireo olona enjehin’ny mpitondra hatry ny ela, na ireo mpanohitra izay tsy rarahahiana dia samy maloto fo amin’ny mpitondra ary tsy hay izay fonosin’ny fahanginana sy ny mety ho fipoahana tampoka aorian’izay. Misy rohy mampifandray azy rahateo ilay mpanao politika hita teny La Réunion kely sy ny kolonely Lylison sy Augustin Andriamanananoro izay enjehin’ny mpitondra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.