Miditra an-tsehatra mivantana amin’izay noho ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ireo Raimandreny ara-drazana avy amin’ny Faritra 22.
“Natosiky ny fitiavan-tanindrazana izahay”, hoy izy ireo ka niakatra eto an-drenivohitra hilaza ny zava-misy isam-paritra izay mitondra ny firenena any an-kady. Nolazainy ao anatin’ny fanambarana iraisana fa “tsy mitsahatra ny mikorosy fahana ny fiainam-pirenena, tsy azo iainana intsony ny tsy fiandrianam-pirenena, tsy afa-mitsabo tena intsony ny besinimaro, tsy afa mianatra ny maro an’isa amin’ny zaza Malagasy, robain’ny mpitondra ny harem-pirenena toy ny hazo sarobidy sy ny harena ankibon’ny tany isan-karazany ary tandindomin-doza ny Malagasy satria lasa fivarotana entam-barotra lany daty Madagasikara”. Eo amin’ny lafiny politika indray dia miverina ny jadona amin’ny endriny samihafa sy ny fanararaotam-pahefana ary samy mandeha samy mitady sy samy manao izay saim-patany ny mpitondra, araka ny fahitan’izy ireo azy.
I Boto Mahefa raimandreny ara-drazana avy any Anosy aza dia nilaza mihitsy fa tsy misy ny fiaraha-mitantana matoa rarafana etona mandatsa-dranomaso ny mpitondra sasany mantsy ny zava-nisy ny sabotsy teo teny Ambohijatovo. Heverin’ireto Raiamandreny to teny ara-drazana ireto noho izany fa “ny fitsaharan’izao fitondrana izao no vahaolana farany ivoahana amin’ny krizy lalina”. Miantso ny olom-pirenena sy ny miaramila isan’ambaratongany ary ny fikambanana isan-tsokajiny izy ireo mba hiaraka hanarina ny firenena ahafahana mikarakara fifidianana madio. Misy kosa anefa ireo mihevitra hanao hetsika mafimafy kokoa toy ireo Raimandreny avy any Anosy. Manome iray volana ry zareo any an-toerana hametrahan’ny mpitondra any ankehitriny fialana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.