Nanao antso am-pitiavana ny zanak’i Mangoro manontolo ireo Raiamandreny sy Tangalamena avy amin’ny distrikan’i Moramanga sy Anosibe
An’ala mba hanohy hampanjaka ny fifankatiavana sy firaisankina ary ny fiarahamonina mirindra efa nisy tao amin’ireo distrika ireo ka hanandratra avo sy hitondra fampivoarana sy fampandrosoana ho an’ny tanàna rehetra ao anatin’ireo distrika ireo. Nambaran’ireo Raiamandreny ben’ny tanàna fa matoa niroborobo tahaka an’izao ireo distrika 2 ireo dia tao ny fandraisana anjara mavitrika nentin’ireo orinasa misy any an-toerana toa an’Ambatovy sy ny Fanalamanga. Ho an’ity orinasa farany manokana, matoa namokatra ny fanarenana sy fandrosoany tao anatin’ny 4 taona izao dia tao ny ezaka nataon’ny Tale jeneralin’ny orinasa, Rakotonirina Augustin, sy ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka ary ireo fokonolona mpiara-miasa rehetra manodidina ny faritry ny orinasa izay nisitraka tombontsoa ka nametraka amin’ny toerany indray ny lazany ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.