Politique

Raiamandreny Mijoro “Tsy manaja ny soatoavina Malagasy”, hoy i Tabera


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Nahitsy dia nahitsy ny fanamarihana nomen’i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert raha namaly ny fanontaniana napetraka taminy mahakasika ny fivoriana notarihan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny roa andron’ny alatsinainy 29 sy ny talata 30 aogositra izy.

Mibaribary, hoy izy, fa “tsy manaja ny soatoavina Malagasy ireto mitonona ho Raiamandreny Mijoro ireto amin’ny fiziriziriana mbola nanatanteraka io fivoriana tarihan-dry zareo io”. Voalohany, hoy izy, ny ankamaroan’ireo mpanao politika mpitondra ao amin’ny FAT dia voatana any amin’ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina niseho tany Soanierana Ivondro ny alahady teo iny. Na ny amin’izay fotsiny aza, hoy izy satria namoizan’ny FAT olomangany iny loza iny dia tokony ho nahemotra ilay fivoriana. Tsy vitan’izany koa fa ity atrehana ity izao ety Anosimanjaka dia anisan’ny kolontsaina lehibe fitazomana ny maha Malagasy ny Malagasy, dia ny Alahamady. Taom-baovao Malagasy io andro io ka tokony ho nomen’izany raiamandreny izany hasiny raha tena raiamandreny tokoa izy. Ny tsy fanajana ny an’ny tena izay ihany no mahapotika antsika tahaka izao, hoy izy, ary eto koa dia mbola mpanao politika betsaka ary avy amin’ny an-kolafin-kery maro dia maro ahitana filohana antoko lehibe eto amin’ny firenena no tazana eto ka tsy afaka manatrika ilay fivoriana eny Ivato akory. Tsy mahagaga, araka ny henonay taminareo mpanao gazety, raha nisy nitsoaka an-daharana indray ireo mpiara-dia amin-dry zareo satria tsy voahaja ny soatoavina demokratika.

 

Manohy

 

SARY : Atoa Tabera Randriamanantsoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT