Politique

Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana Miantso ny SADC handray andraikitra


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Hafatra fohy dia fohy nefa somary nampiandrasana mpanao gazety elaela ihany noho ny fivoriana savaranonando nataon-dry zareo no nampitain’ireo mivondrona ao amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana omaly tetsy amin’ny INPF Mahamasina.

 Ny voalohany dia ny hoe : satria efa dradradradrain’ny rehetra ankehitriny ny resaka hoe tombontsoa ambonin’ny firenena dia samy nanoratra taratasy any amin’ny SADC izy roa ireo, niantso ity rafitra ity hoe : “raiso ny andraikitrareo fa efa sahirana ny vahoaka Malagasy”. Ny faharoa kosa dia fiantsoana an’ireo vondrona politika niisa 11 nanao rangopohy ilay sori-dalana natolotry ny Dr Leonardo Simao teny Ivato farany teo sy ny Ankolafy 3 ary koa ny Ffkm, ny Cnosc sy ny Ceni, hiatrika fivoriana hatao eny amin’ny CCI Ivato amin’ny alatsinainy 29 sy talata 30 aogositra ho avy izao.

Ny zavatra kendrena amin’io fivoriana io, araka ny fanazavana azo tetsy Mahamasina, dia ny fandinihana ny fampiharana an’ilay sori-dalan’ny SADC nasiam-panovana tany Sandton farany teo, fa tonga ny fotoana tokony hanapahan-kevitra. Nomarihan’ny tompon’andraikitry ny Raiamandreny Mijoro fa olona 10 isaky ny vondrona no hahazo hiatrika ny fivoriana. Nandefasana fanasana ho mpanara-maso fotsiny ihany kosa ny foloalindahy sy ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT