Hatramin’izay nisian’ny hoe fiaraha-mitantana izay, dia ry zareo mpanao politika ihany no mamolavola ny hoe : iza no eto ary iza no ato sy ny hoe inona no atao atsy, inona no atao eroa ?
Ohatra ny very ny filozofia nitondrana ny tolona tamin’ny taona 2009, hoy Atoa Raholinarivo Paolo Emilio administratera sivily. Aminay tanora mantsy, hoy izy, dia tetezamita hanovana ny zavatra tsy nety rehetra teo aloha no atao (fandiovana ny tsy rariny, ny didy jadona sns…) fa tsy ny famerenana izay nataon’ny mpitondra taloha indray ary izay no mahavoa an’i Andry Rajoelina sa ireo mpanolontsainany no mamitaka azy ? Ny fanovana ihany ny anay no “repère” fa tahaka ahy raha hoe hametraka an-dRajoelina teo amin’ny fitondrana no tanjona tamin’ireny tolona ireny dia tsy nankeny amin’ny 13 mey mihitsy aho.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.