Politique

Raherison Riri Ernest Miandrandra an’i Marc Ravalomanana i Miandrivazo


  • Alatsinainy 18 Febroary 2013

Mpanao politika tanora sady mpandraharaha avy any amin’iny faritr’i Betsiriry iny, Raherison Riri Ernest. Sady filoha lefitry ny filankevitra monisipalin’ny Kaominina ambonivohitra Miandrivazo izy no mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao an-toerana. Sendra ny Tia Tanindrazana izy ary nisy ny resadresaka nifanaovana taminy.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Vao miresaka an’i Miandrivazo dia faritra mena, no mby an-tsaina, manao ahoana ny fandriampahalemana any aminareo any ?

Raherison Riri Ernest (Riri) : Ao anaty faritra mena tokoa i Miandrivazo saingy miezaka ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ao an-toerana mifehy izany ary azo lazaina fa azo iainana, na dia hita ho sahirana ara-pitaovana enti-miasa aza izy ireo.

T.T : Izany hoe hiverina amin’ny lazany i Betsiriry amin’ny vokatra tsaramaso ?
Riri :
Misy ny vokatra ny tsaramaso fa manararaotra ny krizy ireo mpanangom-bokatra ka saika nampiraviravy tanana ny tantsaha. Namelona indray ny fanantenan’izy ireo anefa ny fisian’ilay “Foaran’ny tsaramaso” tamin’ny taon-dasa iny, satria nanokatra lalam-barotra vaovao.

T.T : Eo amin’izay lafiny toekarena izany ihany ary ny trondro izay mampalaza anareo any ?
Riri :
Tsy lefy laza ny trondron’i Miandrivazo, na ny haventesany, na ny tsirony. Voahaja ihany koa ny fifehezana ny rano sy ny fotoana fanatodizan’ny trondro, izay tombony ho anay any.

T.T : Raha hiresaka fizahantany isika, manao ahoana ny fahasalamany tao anatin’ity krizy ity ?
Riri :
Vavahadin’i Menabe i Miandrivazo. Reharehanay ny fananana ny reniranon’i Mahajilo. Manomboka eo ny fizahantany amin’iny afovoany andrefan’i Madagasikara iny, misy ny “Descente sur Tsiribihina” mankany amin’ny Tsingy sy ny “Allée des baobabs”. Ny zava-misy anefa dia mbola zary fandalovan’ny mpizahatany fotsiny ihany i Miandrivazo hatreto.  Hisy ny ezaka hatao, ifarimbonan’ny rehetra, hitazonana roa na telo andro ny mpizahatany ao, amin’ny alalan’ny fanadiovana ny tanàna, fampitomboana ny toerana azo tsidihina, ary koa ny fanarenana ny fotodrafitrasa.

T.T : Havadika politika ny tafa, manao ahoana ny fiarahamoninareo ao Miandrivazo ao ?
Riri :
Toy ny tanàn-dehibe rehetra, samy manana ny firehany ny olom-pirenena. Na izany aza milamina ny fiarahamonina politika, ny mponina ao rahateo saika mifankalala avokoa.

T.T : Izany hoe tsy misy antoko na fironana manana maro an’isa any ?
Riri :
Matanjaka ny antoko miara-dia amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ao Miandrivazo. Nahatonga solontena maro teto an-drenivohitra izahay tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny ankolafy Ravalomanana teny Amboanjobe farany teo. Miara-dalana ary miandrandra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ny tantsaha any aminay, izay mahatsiaro fijaliana tato anatin’izao tetezamita izao.

T.T : Indraim-bava mikasika ny fifidianana, nihemotra izy iny, ny fandraisan’ny olona any izany ?
Riri :
Izahay manokana dia manaraka ny toromariky ny mpitarika ny ankolafy sy manohana izay fanapahan-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana mikasika ny fifidianana. Ny mba mahagaga anay fotsiny dia ny filazan’ny mpitondra matetika fa hiteraka korontana io filahatry ny fifidianana nofaritan’ny CENIT sy ny Firenena Mikambana io, ka tokony hatao mialoha ny fifidianana solombavambahoaka. Voasolotena ao amin’ny CENIT avokoa anie ny mpanao sonia ny tondrozotra, anisan’izany ny TGV, ary mahaleo tena ny CENIT tsy itsabahan’ny hafa ety ivelany ny fanapahan-keviny, ka fampisavorovoroan-dresaka ny ankoatra izay. Ankoatra izay dia manamarika izahay any amin’ny faritra izay tsy mahita afa tsy TVM ary tsy mandre afa-tsy RNM fa toa fanaratsiana ny praiminisitry ny marimaritra iraisana no mibahana ao, ary mahatsapa sivana izahay, ka mila arenina izany fa tsy hampisy fitoniana eto.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT