Tato ho ato dia nifanesisesy ny fanomezan-tsiny ireo mpanao politika «dinôzôro» miara-mitantana ny tetezamita ankehitriny ihany.
Manana ny heviny mahakasika izay ny CST Raharinirina Jacques Aimé avy amin’ny Vondrona parlemantera GPCI. Nilaza izy fa ny famaritana ny atao hoe «dinôzôro dia ireo ambara fa tranainy izay miverimberina isaka ny misy tolona mitranga, manakaikikaiky ireo mpanao politika zokiny. Voatery isika, hoy ity CST ity, miditra amin’ny fampitahana ny tantaram-piainana nisy teo amin’ny tanindrazana. Nisy tetezamita teto tamin’ny 1972, nisy koa taorian’ny 1991-1992 sy taorian’ny 2002. Ny tetezamita teo anelanelan’ny 72 ka hatramin’ny 2002 dia tsy nisy nihoatra ny 6 ka hatramin’ny 8 volana. Tsy nahita mihitsy ianao na naheno akory tolona sendikaly na fitakiana sendikaly tamin’izany vanim-potoana izany, hoy Raharinirina Jacques Aimé. Inona no antony ? Satria efa fohy ny tetezamita ary ny mpitantana ny tetezamita tamin’izany dia naharesy lahatra ny mpiray firenena ny fomba fitantanana nataony sy ny serasera nentiny fa mandalo fahasahiranana tokoa ny firenentsika.
Raha fintinina izay, hoy ity mpanao politika ity, dia nisy fifampitokisana teo amin’ny mpitondra tetezamita sy ny vahoaka nalamina fa madio sy mangarahara ary tsara tantana ny fitondrana ny fananan’ity firenena ity tamin’izany. Efa nisy Karana Pakistaney sy Sinoa teto amin’ny resaka fihariana fa tsy nahavanona ny fanaovana rapa-dango sy fangoronana an-tsokosoko ny harentska. Ny tetezamita iainantsika izao kosa dia efa manakaiky ny faha-4 taonany. Inona no zava-misy ? Tsy mbola nahita isika na tao anatin’ny vanimpotoanan’ny fanjakana ara-dalàna aza, tolona sendikaly romotra tahaka ny amin’izao. Araka ny voalazan’ny mpandinika dia efa mihoatra ny 20 izy izao. Raha mijery isika ny zavatra resahina amin’ny tontolon’ny haino aman-jery dia tsy heno sy tsy hita ary manalavitra ny fiainana andavanandron’ny mpiray tanindrazana ny zavatra tsara vitan’ny fitondrana tetezamita. Manodidina ny hazo sarobidy, volamena, vatosoa, fasimainty, kianja manarapenitra, hopitaly manarapenitra... no mibahana amin’ny serasera. Matetika koa no misy «Jet privé» atsy e ! Tsy misy afaka manome fanazavana ny amin’io isika.
Ny mpanao politika vaovao napoitran’ny vanimpotoana taty aoriana ve dia sahy milaza fa izy ireo no tena anjely eo amin’ny fanaovana politika fa ny dinôzôro devoly ? Ary misy miteny fa ny zava-doza dia ny nandripahana tsy amin’ny rariny sy fahamarinana ny fananan’ity firenena ity tao anelanelan’ny Repoblika voalohany sy ny taona 2008 dia vitan’ny ampahan’olona vitsivitsy amin’ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana izao. Amintsika dia tsy misy ny fanadihadiana atao amin’ny mpitondra raha tsy efa miala amin’ny fitondrana izy. Aorian’izao fitondrana tetezamita izao dia ny sandry no hilaza azy ary ny bainga voavadika hanambara ny nataony. Mampanahy koa ny fanatanterahana ny fanadinana voalohany hatrehan’ny zanatsika dia ny CEPE noho ny fihenjanan’ny tady eo amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny sendikan’ny mpampianatra ka hisian’ny fanapahana ny vary ho tonga eo an-dovian’ny mpampianatra izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.