Toa tsy misy mpihaino na antso an’efitra ny fanehoan-kevitry ny mpitondra momba ny raharaham-pirenena.
Raha aty amin’ny ankolafin’ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena dia tafita ny hafatra saingy tsy azo atao amboletra fa tsy maintsy misy manaiky ho mpandrindra sy ho mpandamina ary mivonona hamoha varavarana, ka tompon’antoka voalohany amin’izany ny filoham-pirenena. Mbola misy lafiny heveriny ho maika noho izany na tsy laharam-pahamehana izany angamba, hoy Raharinirina Jacques Aimé avy amin’ny vovonana Tsimialonjafy Miaro ny Soatoavina Repoblikanina. Te hilaza ity mpanao politika ity fa be marenina sy tsy te hisokatra amin’ny ady hevitra ny fanjakana HVM na dia efa hita aza fa tsy mahafehy ny firenena, ka ny kolikoly sy faty olona no tena malaza eto. Tsy maheno ny akon’izany isika na maro aza ny antso mifanesisesy toy ny vondron’ireo manam-pahaizana momba ny fifidianana, ny vovonana Mampiray, ny mpanao gazety,…samy niantso fifanatonana ho an’ny fitoniana, ary indrindra hiheverana hoe inona no atao satria tsy miantoka fitoniana ary tsy hiteraka fandrosoana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Na fantatra aza fa manan-katao mivezivezy sy mitokan-javatra aza ny fanjakana, dia tsy mahatototra ny tsy fahampiana, ny tsy fandriampahalemana,…ireny zavatra ataon’ny mpitondra ireny, hoy izy. Ny ankolafy manodidina ny antokon’ny fitondrana dia ny HVM sy namany dia mieritreritra fa ny fiandrasana fifidianana 2018 no lalam-pahombiazana hivoahana eto amin’ny firenena, izay toa hevi-diso satria ilaina ny fanokafana ady hevitra. Lasa toy ny afo-mololo tsy azo hamindroana ny hevitra mivoaka na avy amin’ny mpanohitra na ny mpitondra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.