Ny tsy faharisihan’ny parlemantera mamonjy fivoriana, ny fandehan’ny fitantanan-draharaham-pirenena ankehitriny, ny tsy fandriampahalemana, fanelanelanan’ny FFKM hivoahana amin’ny krizy ary ny resaka satanika, ireo rehetra ireo no hitondran’ny CST Raharinirina Jacques Aimé ny heviny eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana (TT) : Amin’ny maha CST anao, manao ahoana marina ianareo ao ? Toa mangadihady be ihany ny efitrano fivoriana tao ho ao ?
Raharinirina Jacques Aimé (RJA) : Marina fa anaty fivoriana ara-potoana voalohany izahay parlemantera izao amin’ny asa fanaovan-dalàna sy fanaraha-maso ny asan’ny governemanta. Raha jerena amin’ny ankapobeny, tsapan’ny mpiray tanindrazana indrindra ny vahoaka mpifidy soloinay tena nefa ny marina solokianay amin’ny lalàna, ary tsy miafina raha jerena amin’ny ety ivelany fa bangabanga ny seza natokana ho an’ny parlemantera CST sy CT. Inona no mety ho antony ? Voalohany : efa ho iray volana sy tapany no tsy nandraisan’ny ankolafy Ravalomanana anjara andraikitra amin’ny rafi-panjakana misy azy. Faha-2, ao ireo mpikambana nifidy hamadika asa mivantana any amin’ny Distrika niaviany. Asa mahatsiaro ho lany andro ve izy ato sa ny adihevitra atao no tsy mamaly ny hetahetan’izy ireo ? Mahagaga koa ny birao maharitra ao amin’ny CST hitanao mangatsiatsiaka tsy ao mihitsy fa matetika 2 na 3 no tazana ery ambony fitoerany ery. Fa azo adika koa hoe ny adihevitra entin’ny ankolafy Ravalomanana any Mahazoarivo satria heno ilay hoe misy fihaonana ataon-dry zareo matetika amin’ny Praiminisitra na koa amin’ny solontenan’ny SADC eto. Raha fehezina dia mila mandini-tena ihany ny birao maharitra raha fiarahana mitantana tokoa no misy. Nahoana no andosirana ny seza ?
TT : Raha ny zava-misy iainana ankehitriny, mandeha amin’ny tokony ho izy ve izao fitondrana izao ?
RJA : Tsia, mamita-tena isika raha izao no hilaza hoe mandeha ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Hazavaiko ny hevitro : na ao anaty fitondrana ara-dalàna dia tsy mbola nahita fitakiana etsy sy eroa tahaka izao misy izao aho. Tsy vitan’izay fa tsy mbola nisy tsy fandriampahalemana mampiteny ny moana tahaka izao hatramin’izay. Mampatahotra io trangan-javatra anelanelan’i Befotaka sy Amboasary Atsimo io. Ohatra ny nofinofy ny hanakaikezantsika an’i Mali amin’io trangan-javatra io. Tsy mazava marina ny isan’ny maty, mampatahotra izay. Mihoronkoditra ny olon-tsotra ary mampanahy fa tsy asan-dahalo intsony io fa mihoatra an’izany, izany hoe ohatra ny olona manana fiofanana ara-tafika no manao ary mihantsy ny fanjakana mihitsy izy ireo. Io moa voalaza fa nandefa mpitandro ny filaminana 150 any ny fitondrana, ohatra ny mamaly an-dry zalahy mihitsy izany. Ankoatra izay, eo ny fiantsoana olona hidina an-dalambe. Tsy zava-baovao amin’ny resaka tetezamita io. Mbola tsaroana ny tamin’ny taona 1972, 1991, 2002 fa tsy mbola nisy tetezamita lava tahaka an’ity, efa hitovy amin’ny “mandat” filoham-pirenena iray. Inona no henonao amin’ny haino aman-jery ? “Bois de rose” natao tari-drano ankilahila hiditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana, hita tany Maorisy, Kaomoro. Misy tsilian-tsofina fa eto misy mahavita mandefa volamena iray taonina isam-bolana any ivelany tsy hitan’ny fanjakana. Ao koa ny vatosoa, fasimainty, hopitaly manara-penitra, A-340. Rehefa halavainao io dia mazava fa misy mahazo tombontsoa manokana amin’ireo, ka ahoana no tsy hitaky aminao ny sendika ? Rehefa misy fitakiana, misy homenao fa mahamena-maso. Fa ilay mpampianatra kely any ambanivohitra tsy zarainao henamaso fa valiana hoe : hotapahina ny karama, horoahina... Ny dikany dia hoe : nahoana ny tetezamita tamin’ny 1972, 1991 … tsy nahita sendika nitaky ianao ? Ny antony dia ny tetezamita tamin’izany dia nahay nipetraka tamin’ny toerany. Fa amin’izao ny hafatra ataonao dia hoe : misy harena amin’ity tany ity azo atao harena adala tompo, harena atao paiso an-kady. Ka hoy aho hoe : mila manova toetra ê ! Ny amin’ny hoe asa fanakorontanana ireny dia tao anatin’ilay resaka mitaky ny fanovana isika dia fantatra tsara hoe : hatraiza ny andraikitra amin’ireny ? Ny valinteny azo ankehitriny dia hoe tsy mbola zakan’ny kitapom-bolantsika. Mba mipetraha eo amin’ny toeran’ny vahoaka ê !
TT : Ao anatin’izao tetezamita izao dia hakarina 2 % ny harinkarena faobe ?
RJA : Sady mamita-tena no mamitaka ny mpiray tanindrazana raha ao anatin’izao tetezamita izao, amin’ny zava-misy iainantsika, no hahita fiakarana ara-toekarena isika. Rehefa mihaino ny minisitra isika dia hoe : mbola voaloa hatreto ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Angaha moa izay ihany ny fiainam-bahoaka ? Ny vahaolana dia tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, izany hoe mahavita fifidianana tena demokratika, marina sy mangarahara araka ny tsianjery fanao ankehitriny. Mbola iadian-kevitra ilay tondrozotra nataon’ny rehetra sonia. Raha jerena ny ao anatin’ny fampiharana dia ohatran’ny hoe mandroso izy io fa rehefa jerena ny votoatiny dia hita fa tsy mbola tafaverina ny sesitany politika, tsy mbola navoaka ny gadra politika, tsy mbola novahana ireo haino aman-jery nakatona, tsy malalaka ny fanehoan-kevitra.
Raha tsorina dia mampiahiahy ny hivoahantsika amin’ny alalan’ity tondrozotra ity. Tsy mahagaga fa lavitra be tao anatin’ny fandrafetana azy io ny kolontsaintsika Malagasy. Mety manamarina izany ny mbola fitakian’ny olona ny FFKM hiditra amin’ny fanelanelanana indray. Ny ankolafy Zafy Albert sy Didier Ratsiraka indray milaza fa tsy misy zavatra antenaina amin’ny fampihavanana olona iray avy any Imerinkasinina sy olona iray hafa avy any Ambohimalaza nefa raharaham-pirenena no vahana. Raha ny hevitro manokana dia tokony hatao mialoha ny 26 jona ny dinika fampihaonana azy mirahalahy io satria dingana iray hampisehoana io hoe azo atao tokoa ve ny fifidianana eto amintsika ? Eo no hisedran’ny mpanao politika manao fanamiana hoe : voafehy tokoa ve ny fandriampahalemana amin’ny fahatongavan’ny sesitany an-tanindrazana ? Raha tsia dia mampieritreritra ny ahafehezana ny fanaovana fifidianana.
TT : Misy azonao ambara ve ny raharaha TIKO sy satanika Atoa CST ?
RJA : Momba izay voalaza hoe : tsy mandoa hetra ny TIKO, ny ahy ny faniriako dia mba tena hampihatra ny lalàna ny foibem-pitondrana momba ny hetra (DGI) fa tsy misy resaka fiandaniana na fankahalana olona fotsiny izao. Ny dikan’izany dia olana ngezabe eto amintsika ary tsy mampilamina dia mihoampampana laotra ny fahaverezana asa vokatry ny hetsika tamin’ny 2009 sy ny krizy naterany ka azo atao tsara hoe : aoka izy hiverina hanokatra ny orinasany ka hamerina ireo mpiasa maro hiasa indray fa takiana praograma hentitra kosa izy amin’ny fandoavany izay tokony alohany ka ao aorian’izay ny fandraisana fepetra hafa. Raha ny resaka satanika indray dia efa vonona ny amin’izany ry Pasitera Mailhol sy ny fiangonana hafa dia aleo samy handray ny andraikitra tandrify azy fa aleo izahay handinika ny raharaham-pirenena nanendrena anay.
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.