Tena nisy akony nivantana ho an’ny tsirairay avy na ireo Parlemantera niisa 33 niatrika ny fiofanana nomena anay teto Anosikely nandritra ny 11 andro, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé avy amin’ny Tambatra/Les AS.
Ny zava-dehibe voalohany dia ny fitaovana momba ny lalàna. Amin’ny hoe mpanao lalàna mandinika ny lalàna dia manampy be dia raha ohatra ka voafehinao ny fitaovana miainga amin’ny fahalalana anananao. Antenaina fa hisy fiantraikany amin’ny lalàna havoaka izany. Tokony ho hita taratra fa tsy kitoatoa ny zavatra nolanianay. Faharoa ny mikasika ny toekarena dia ny lalàna mifehy ny tetibola. Hita izany raha mijery ny lalàna mifehy ny tetibola nolanianay tamin’ny desambra 2011. Tsy mbola mitsidika akory ny taona vaovao dia efa fitokonana tetsy, fitokonana teroa ary mitohy hatramin’izao. Mazava fa tao anaty hamehana sy tandrametaka no nandaniana azy satria tamin’ny 12ora sy sasany antoandro izy iny no nozaraina ny antontan-taratasy karazany 8, dia tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro anefa dia tsy maintsy nolaniana.
Dia mihomehy ianao mahita parlemantera mitaraina any amin’ny fahitalavitra hoe roa volana izahay izao tsy nandray karama nefa izy Parlemantera no nandany an’ilay lalàna mifehy ny tetibola iasantsika io teto amin’ny firenena. Ka raha ampitahaiko amin’izay ny fanomezam-pahalalana nomena anay teto dia heverina fa hisy fiantraikany kely angamba ny fandinihana ny volavolan-dalànan’ny tetibola hiasana amin’ny taona 2013. Fa lehibe koa ny resaka diplaomasia nampitaina taminay teto satria fantatra teto fa ny «ratification» izao dia na ny filoham-pirenena no manao azy na ny parlemanta. Tonga hatrany amin’ny resaka fanelanelanana tany amin’ireo firenena marobe taty Afrika ny resaka ary tonga hatrany Maputo koa. Raha ny fijeriko azy dia nanongilan-tsofina tany amin’ity toerana ity daholo isika ka midika izany fa efa tena mangetaheta ny vahaolana avy any hivoahana amin’izao krizy izao ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.