Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Hangoron’entana ao Tsimbazaza


  • Talata 06 Desambra 2011


 Rahampitso alarobia 7 desambra amin’ny 10 ora maraina, ao anatin’ny fivoriana itambarambe hatao eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, no hanatanterahan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) rehetra vao notendrena tamin’ny 1 desambra teo ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana azy ireo sy ireo filoha lefitra isam-paritra ary ireo kestora 2. Anio talata manomboka amin’ny 9 ora maraina ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 ora hariva, araka ny voasotra ao amin’ny tabilao tondrozotra ho an’ireo CT ireo no fametrahana ny filatsahan-kofidiana ho an’ireo maniry an’ireo toerana ireo.

Fantatra, araka ny fanambarana nataony omaly tao amin’ny birao fiasany, fa tsy ho anisan’ny hilatsaka hofidiana ho filohan’ity Kongresin’ny tetezamita ity fanindroany intsony ny filoha am-perinasa Raharinaivo Andrianatoandro. Nambarany tamin’ny mpanao gazety fa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ho fitsinjovana ireo vahoaka 20 tapitrisa no hanaovany izany, satria heno teo amin’ny fanambarana sy siosion-dresaka avy amin’ny Troika sy Sadc, hoy izy, fa toa hiverina any amin’ny resaka Maputo sy Addis Abeba ny resaka ka ilaina ny tokony hahitana ny ankolafy rehetra mitana ny andrim-panjakana. Ka mba tsy hanelingelenana izay mety hifaranan’ny krizy amin’ny fitsinjarana toerana tahaka izany, “satria izaho tsy maintsy lany raha mirotsaka”, dia naleoko mamela malalaka izay kandidà hirotsaka ho amin’izany.

Nanambara koa aza ity filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa hiala tsy ho mpikambana CT intsony izy nefa mbola hijanona hanao politika sy hitarika ny antoko Tiako i Madagasiakara ihany ary hanolotra mpikambana tsotra iray hisolo ny toerany ao amin’ity rafitra ity. Faly ny tenako ankehitriny, hoy izy, fa nandresy ny lokaloka natao tamin’ny fidirana nanao sonia ny sori-dalana teny Ivato tamin’ny taona 2010 dia ny famahana ny krizy amin’ny fomba manaja ny fihavanana sy ny soatoavina Malagasy ary tsy misy romoromo. Noho izany dia tsy misy alahelo mihitsy raha ilaina ho an’ny famahana ny krizy ny fandraisan’ny ankolafy hafa ny fitantanana ity andrim-panjakana ity. Mety halahelo ireo nametraka sahady ny fitokisana amiko noho ny teny nataoko teny Ivato tamin’ny zoma hoe vonona ny hirotsaka aho raha be ny mankato izany, nefa inoako fa tia tanindrazana izy ireo ka tsy hijery afa-tsy ny tombontsoam-pirenena, hoy Raharinaivo. Maniry koa aho, izay mpomba mandrakariva ny filaminana sy ny fandriampahalemana ka maniry, hoy izy, an’izany fihetsika feno fitiavan-tanindrazana avy amin’ny filoha vaovao ho avy eo ka hiasany am-pitoniana. Aoka tsy hisy ny kajikajy politika hiteraka savorovo indray hiseho.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT