Politique

Raharinaivo Andrianatoandro «Aleoko mitaiza ny zafikeliko !»


  • Alakamisy 08 Desambra 2011

Tsy tazana teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza intsony ny filohan’ny CT teo aloha Raharinaivo Andrianatoandro omaly nandritra ny fifidianana ny filoha vaovao.

 Na dia tsy mbola ofisialy aza ny fametraham-pialany tsy ho mpikambana CT intsony dia naleony, araka ny nambarany, nikarakara ny ankohonany toy izay lany andro amin’ny raharaha politika. Nandritra ny fotoana fandatsaham-bato tao Tsimbazaza dia teny Antsakaviro no nahitana azy tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro teo ho eo niaraka tamin’ny zanany vavy sy ny zafikeliny roa. Nitsena ireto farany vao nirava no anton-diany raha ny filazany.

Notsindriany fa aleony mikarakaza ny zafikeliny toy izay mandray anjara amin’ny fifidianana. «Tsy te ho sakana amin’ny fahalanian’i Mamy Rakotoarivelo ny tenako sao misy milaza indray hoe manalokaloka», hoy izy. Nampiany fa ho fanajana ny vahoaka izay ho mpifidy dia aleo mihitsy misintaka. Momba ny resaka mandeha fa anisan’ny sakana amin’ny tsy nahazoan’ny FAT ny fankatoavana ny nitantanana ny Kongresy dia nahitsin-dRaharinaivo Andrianatoandro fa ny tabataba ataon-dRavalomanana sy ny afera maloto mahasaringotra ny FAT toy ny resaka “bois de rose” no nampihisatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hanome izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT