Politique

Raharimanarivo Voahangy “Tombony ho ahy ny traikefa ananako”


  • Talata 02 Aprily 2019

“Tia mandray andraikitra sy manampy ny mpiarabelona aho, tsy mba mihemotra manoloana ny sarotra. Efa toetrako izany”.

 

 Tenin-dRaharimanarivo Voahangy io tamin’ny tafa fohy nifanaovana taminy. Efa solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Atsimondrano izy tamin’ny taom-piasana 2017-2019 teo, ary kandida solombavambahoaka ao amin’io Distrika io amin’ny fifidianana izay hotanterahina amin’ny 27 mey 2019. “Tombony ho ahy ny traikefa ananako, ny fijoroko niady tamin’ny kolikoly niaraka tamin’ireo depiote 73 teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, tsy voavidy vola ary tsy mpanangatanana fotsiny fa rehefa lalàna tsy mifandraika amin’ny tombontsoan’ny Vahoaka dia sahy nandà izany, niady ny hisian’ny tany tan-dalàna sy fanjakana tsara tantana ary koa ny fahaiza-mandresy lahatra ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka nahafahana namaly ny hetahetan’ny mponina teny Atsimondrano, na mbola amin’ny ampahany aza izany”, ary tsapako fa izay « fijoroako hiaro ny tombontsoam-bahoaka izay » no mahatonga ny fangatahan’ny vahoaka eny Atsimondrano ny hirotsahako ho solombavambahoaka indray. Ny ankohonako sy ny fianakaviako rahateo nitsodrano ahy, hoy hatrany i “Voahangy”, fa izay no fiantson’ny olona azy eny Atsimondrano. Toerana roa no ifaninanana eny Atsimondrano, lisitra 12 no mifaninana. Anisany ny vovonana ivondronan’ireo antoko nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, dia ny “Dinike” irotsahan’i Voahangy. Anatin’ny “pré-campagne” tanteraka ny tenany amin’izao, mitety ireo kaominina miisa 26 mandrafitra ny Distrika Antananarivo Atsimondrano, mampahafantatra ny antom-pirotsahany hofidiana, manazava ny asa aman’andraikitry ny depiote, mihaino ny hetaheta sy ny manahirana ny Vahoaka, ary koa mitondra avy hatrany izay vahaolana tandrify amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra ahy, hoy i Voahangy.

 

 Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT