Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena taorian’ny nisamboran’ny Emmo-Reg tamin’ny fomba feno herisetra ny kandida filoham-pirenena avy amin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, Laza Razafiarison ny talata 23 jolay sy ny nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny ampitson’io.
«Amin'ny maha kandida ny tena, na dia tsy mitovy aza ny fomba fijery matoa samy nilatsaka amin'ny anarany na ny antokony, dia tsy azo ekena ny toy izao», hoy Raharimanana Patrick, kandida filoham-pirenena avy amin’ny «Vitatsika io». Nambarany fa «ireo kandida ireo aloha hatreto no mety hitondra an'i Madagasikara rahampitso, nefa na fanajana ny maha olona fotsiny aza dia tsy misy. Mazava ny ambaran'ny lalàna fa tsy misy kandida ho Filoham-pirenena azo samborina. Ary tsy mila fangatahana ny kandida raha hanao fampielezan-kevitra, satria isika izao dia anio (omaly) 24 jolay 2013 no datim-pifidianana izay tsy mbola nisy didim-panjakana nanafoana izany daty izany». «Tsipahiko sy melohiko marindrano izao fampahoriana ny vahoaka sy fomba nitondrana izao kandida ho Filoham-pirenena izao», hoy hatrany Raharimanana Patrick.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.