Teny amin’ny CEG Ambohipo ny kandidan’ny antoko «Vitatsika io», Raharimanana Patrick omaly maraina no nanatanteraka ny latsa-bato tamin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Faniriany ny hampangarahara ny fifidianana sy ny hizoran’izany ao anatin’ny filaminana. Nihazo ny foiben-toeran’ny CENI-T teny Ivandry nizaha maso ny fandraisana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny tenany taorian’izay, ary ity kandida laharana faha-35 tao amin’ny bileta tokana ity no kandida tonga voalohany teny. Nandray azy teny an-toerana ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice nanoro ny toerana sy ireo fitaovana hikirakirana ny voka-pifidianana. Marihina fa tsy vahiny amin’ity resa-pifidianana ity Atoa Raharimanana Patrick satria dia anisan’ny mpanorina ny KMF/CNOE ny tenany ary nitantana izany nandritra ny folo taona.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.