Politique

Raharimalala Louisette “Tokony hieritreritra ny CUA”


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

«Fanamboarana trano ho an’ny sahirana fa tsy fandraofana azy ireny tahaka ny biby ary atsentsina any anaty fiara no tokony hataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra”, hoy Raharimalala Louisette, filohan’ny antoko Mavana-CIDEM, omaly.

 Mampalahelo ny zava-mitranga eto amintsika, hoy ihany ity farany ary tokony hampieritreritra ireo mpitondra, indrindra fa ny PDS Edgard Razafindravaha izay «tsy voafidim-bahoaka fa napetraka fotsiny». Saika tafasaraka tamin’ny zanany avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo olona sahirana notoloran’ity antoko ity akanjo mafana teny Anosizato, Anosibe, Anosy, Ampefiloha, Ambodifilao ary Mahamasina ny talata teo. Nirotsaka an-tsehatra ny fivondronana nandritra ny fanangonana azy ireo ka nisy ireo voafaoka tany anaty fiara raha nisy ireo tavela. Nisy indray ireo very tapakila izay tokony hahazo ny fanomezana noho ny nafitsoky ny fivondronana ihany. Mbola nitohy teny Tsimbazaza ny hetsika omaly ka olona manodidina ny 230 indray no nahazo tombontsoa tamin’izany. Sady nozaraina vary izy ireo no nampianarina mba hifantoka amin’ny fivavahana ihany koa hahafahan’Andriamanitra miasa, hetsika nanasan’ny antoko Mavana ny rehetra teny Tsimbazaza. Hatreto dia efa mahatsapa sahady ny fomba fiasan’Andriamanitra ny filohan’ity antoko Mavana ity ary mbola manantena fa tsy maintsy hivoaka ho mpandresy ny firenentsika raha toa ka miroso amin’izany avokoa ny vahoaka Malagasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT