Politique

Raharimalala Louisette Miantso ny olona mba hanatona an’Andriamanitra


  • Talata 24 Jolay 2012

Miantso ny olona mba hanatona an’Andriamanitra ao anatin’ny fanetren-tena ny filohan’ny fikambanana Mavana CIDEM, Raharimalala Louisette.

 Voakasik’izany ireo izay mahatsiaro tena fa mila vonjy ny firenena noho ny krizy lavareny lalovany ankehitriny sy ny fahoriana nianjady tamin’ny vahoaka malagasy nandritra ny 50 taona. Ny faran’ny herinandro teo no efa nanombohan’ny filohan’ity fikambanana ity ny hetsika, taorian’ny fe-potoana herinandro ny fitondram-panjakana. Tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina no nanatanterahany izany izay mbola mitohy mandraka ankehitriny, ary mbola hanasany ny vahoaka rehetra rahampitso alarobia eny Tsimbazaza.

Araka ny nambaran-dRaharimalala Louisette dia tsy ny herin’olombelona intsony no hahafahana manavotra ny firenena ankehitriny. Avelao hiditra an-tsehatra Andriamanitra, hoy ihany izy raha tiana ho tafita ny firenena. Amin’ny sabotsy ho avy izao moa vao ho tapitra ny fifadian-kanina hataon’ny filohan’ny fikambanana Mavana CIDEM. Raha tsiahivina dia noho ny fahantran’ny vahoaka ateraky ny krizy sy noho ny tsy fandehanan’ny fiainam-pirenena araka ny tokony ho izy intsony no manosika ity renim-pianakaviana ity hitaona ny olona mba hanatona an’Andriamanitra.a 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT