Misy trangan-javatra hafahafa miseho. Araka ny fitantaran-dRtoa Raharimalala Louisette mantsy dia "nisy mpiasan'ny Comptoir de l'Or nitondra ampaham-bolamena 420g tany amin'ny client mba ahafahan'ity farany misedra sy mijery ny carrat.
Mahagaga fa tonga tany koa ny FIS izay naka avy hatrany ilay volamena na nilaza aza ilay nitondra fa mpiasan'ny comptoir ara-dalàna. Tsy nanome taratasy ara-dalàna ry zareo fa tonga dia nentiny tamin'izao ilay volamena. Nampandrenesin'ilay mpiasa ny lehibeny izay niantso ny mpisolovavany. Nanazava ity farany fa volamena ara-dalàna ilay nogiazana. Nanaiky namerina ilay volamena 420g ny FIS ary nanome taratasy voasonia. Tsy nisy “en-tête” na fitomboka anefa”.
Araka ny anarany dia natao hisahana ny fivarotana volamena ny Comptoir de l'Or. Hatramin'ny fampiatoana ny fanondranana volamena tamin'ny volana jona 2012 anefa dia tsy afaka miasa ny Comptoir. Koa mametra-panontaniana Rtoa Raharimalala Louisette : inona marina no asan'ny FIS ary ahoana no ahafantarany fa hitondra io volamena io ilay mpiasan'ny Comptoir ? Miahiahy izy sao ilay client no ambadika. Ho an'ity solombavambahoaka teo aloha ity dia tsy any atsimo ihany no misy Remenabila fa betsaka koa ireo dahalo ambony latabatra.
Eo anatrehan’izany dia nanao antso Rtoa Raharimalala Louisette, hialan’ny mpitondra FAT am-panajana fa sady tsy lanim-bahoaka no tsy tian'ny vahoaka. Ny raharaham-pirenena tsy tokony hanaovana sarimihetsika na fisehosehoana, hoy ity filohan’ny antoko MAVANA ity, fa mila fahaiza-manao sy fahalalana ary fahendrena. Hentitra moa ny filazany fa “ity fanjakana ity dia sady tsy afaka miaro ny ain'ny vahoaka sy ny fananany no tsy afaka miaro ny harem-pirenena ary tsy tan-dalàna.
Efa famonoana ny firenena no sady fanapotehana ny hoavin'ny taranaka mifandimby raha mitohy izao zava-misy izao, hoy Rtoa Raharimalala Louisette. Miantso ny Malagasy rehetra moa ity farany hifanentana ary hampiseho ampahasahiana nefa ampilaminana fa mila faranana izao tetezamita izao ary mila manangana fitondrana vaovao mitsinjo marina ny vahoaka. Mihevitra ny hihaona mivatana amin'i Andry Rajoelina moa ny tenany mba handresy lahatra sy hiteny ity farany fa raha tena fitiavan-tanindrazana no apetraka dia mety aminy no miala am-pahendrena. Milaza ihany koa ity mpanao politika ity fa mila mihaona amin'ny tompon'andraikitra isan-tokony ao amin'ny tafika ny tenany mba hilazana mazava tsara sy hentitra fa mialoha ny "hiarovana ny fitondrana dia ny fiarovana ny vahoaka no tena asan'ny tafika". Tsy natao hanohitra ny safidim-bahoaka na sanatria hiady amin'ny vahoaka ny tafika satria ny vahoaka no andriamanjaka. Hihaona amin'ny vondrona iraisam-pirenena koa ny tenany hanambarana mazava fa tompon'andraikitra ary tompom-pahefana amin'ny famahana ny olana na krizy politika eo aminy avy ny firenena tsirairay. Noho izay dia lazaina akahasahiana, hoy Raharimalala Louisette, fa anjaran'ny vahoaka malagasy samirery no mamaha ny olana eto amintsika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.