Hentitra sy nahitsy ny tenin-dRtoa Raharimalala Louisette filohan’ny antoko Mavana raha nanontanian’ny mpanao gazety ny heviny mahakasika ny toe-draharaham-pirenena misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao omaly.
Amin’ny maha-filohan’ny Mavana ahy hoy izy dia toa tany tsy misy fanjakana izany eto izao ary na misy aza dia fanjakan’i Baroa no hita nandritra izay 4 taona izay. Ankehitriny indray dia eo am-pelatanan’ny Vondrona iraisam-pirenena ny fitantanan’ny fiainantsika, ka mampametra-panontaniana izany, hoe : aiza ny Malagasy ? Ho ahy manokana, hoy Rtoa Raharimalala Louisette, dia fotoana izao hitsanganan’ny Malagasy. Efa nanambara hatrany ny Mavana hatramin’ny fiadohan’ity taona ity fa tsy hilamina ity firenena ity raha hanao an’io fifidianana imatimatesan’ny ankehitriny io isika. Ny vahaolana ho raisina hoan-dry zareo Mavana dia ny tokony hisian’ny tetezamita vaovao hikarakara ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra fa raha ny amin’izao dia ny filohan’ny tetezamita daholo no mitady hanao ny rehetra nefa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny atao fa hiverina indray ireny zava-nisy tamin’ny fifidianana lalampanorenana farany teo ireny. Misy kajikajy daholo ny zavatra nataon’ny tetezamita hatreto hatramin’iny resaka FFM iny. Tetezamita vaovao tsy hihoatra ny herintaona raha ela indrindra no ilaina, hanaovana fanasoavam-bahoaka marina fa tsy hoentina amin’ny fitiavan-tena, hoy ity filohan’ny Mavana ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.