Mbola mitana mafy ny fanambarana nataony milaza fa : «Ny planin’Andriamanitra» ihany no hanavotra ny firenena malagasy, ny fikambanana «Groupement pour l’Edification de la Théocratie ŕ Madagascar» tarihin-dRaharimalala Andriampenotiana. Izy no vahinin’ny Sokela anio ka hamaly mivantana ny fanontanian’ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana ( TT) : Inona marina ity hoe : “Planin’Andriamanitra” tsy afaka am-bavanareo ity ?
Raharimalala Andriampenotiana (RA) : Efa nisy valandresaka nataonay tamin’ny 22 martsa nilazanay fa ny bokin’Isaia toko faha-3 sy toko faha-4 dia planin’Andriamanitra ho fanavotana ny firenena Malagasy. Izany hoe : aorian’ny tetezamitan’Atoa Andry Nirina Rajoelina no hametrahan’Andriamanitra eto Madagasikara ny Fanjakany. Ny antony dia satria ny Malagasy dia vahoaka tiany noho io vahoaka io voafidiny na koa, raha atao amin’ny teny hafa, dia vahoaka zanaky ny firenena Hebreo ary i Madagasikara rahateo dia toerana nofidiny hametrahany izany Fanjakany izany efa tamin’ny taon-jato faha- 8 talohan’i Jesosy Kristy ka hapetrany amin’ny taona arivo faha-3 aorian’i Jesosy Kristy izany.
TT : Fanjakana hapetraka sa Fanjakana ho fidiana tompoko ?
RA : Tamin’ny 26 mey 2010 izahay dia nilaza mazava fa ny fifidianana na ny «élection» dia foto-kevitra iray anisan’ireo izay iorenan’ny demokrasia ; ny demokrasia anefa iaraha-mahalala fa hevitra avy amin’ny Grika fahiny izay tena mpanompo sampy fatratra mba tsy hilazana ny hoe : ny fifidianana anie rey olona ka rafitra satanika raha indramina ny teny mahalaza azy ankehitriny ê.
Efa nambaranay teo aloha koa fa ny fifidianana ny ho filoham-pirenena no tena mampisy ny krizy miverimberina teto Madagasikara satria ireo filoham-pirenena izay nofidiana, ankoatra ireo tombontsoa mihoa-mpampana azony, dia tsy maintsy hampiasa ny volam-panjakana mba ho entina amin’ny propagandy manaraka rehefa tapitra ny «mandat»-ny, hany ka tsy ao an-tsainy mihitsy ny hanatanteraka ireo fampanantenana izay nataony tamin’ny vahoaka mandritra ny propagandy, dia tonga ny sakoroka ho fanonganana azy ary izany hatrany hatrany no nisy teto hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany ka nahatonga ireo filoham-pirenena voafidy tsy nahavita ny «mandat»-ny hatramin’ny farany. Io fifidianana io mihitsy no tena nandrava ny fihavanana Malagasy.
TT : Tsy mankasitra fifidianana izany ianareo ?
RA : Tsy nankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ny nanaovana ireo fifidianana izay natao teto Madagasikara nanomboka tamin’ny fanjanahantany frantsay ary ny mbola kasaina hanaovana azy ato ho ato. Ny fahantrana sy ny fahoriana manjo ny Malagasy ankehitriny, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, ireo rivodoza mamely saika isan-taona dia azo heverina fa kapoka ataon’Andriamanitra amin’ny Malagasy mba hahatonga saina azy noho ireo nataony ireo.
Ny fifidianana mantsy dia miteraka ny antoko politika, ary raha miteny antoko politika dia fisarahana no dikan’izay. Hatramin’ny nisian’ny antoko politika teto Madagasikara izay mantsy dia nisaratsaraka ny vahoaka malgasy ary ny mampalahelo aza dia mifamono mihitsy ny samy Malagasy : raharaha 1947, vokatry ny tsy fifankazahoana teo amin’ny MDRM sy ny PADESM ; raharaha 13 mey 1972, vokatry ny tsy fifankazahoana teo amin’ny PSD sy ny AKFM ; rahaharaha 10 aogositra 1971, vokatry ny tsy fifankazahoana teo amin’ny Herivelona Rasalama sy ny AREMA ; raharaha zanadambo 2002, vokatry ny tsy fifankazahoana teo amin’ny KMMR sy ny KMDR ; raharaha 9 febroary 2009, vokatry ny tsy fifankazahoana teo amin’ny TGV sy ny TIM. Koa raha mbola mipetraka eto Madagasikara ihany ny rafi-pitondrana mamela ny fisian’ny antoko politika toy ny misy ankehitriny, dia tsy hisy mihitsy izany “réconciliation nationale” izany fa hifandrafy foana ny samy Malagasy ary mbola hifamono koa aza any aoriana any raha tsy mahay manapa-kevitra haingana ny samy Malagasy.
TT : Dia iza izany no hitondra eto raha tsy hisy fifidianana ?
AR : Ka tsy hisy filoham-panjakana voafidy amin’ny alalan’ny fifidianana ka hitondra ny firenena izany aorian’ny tetezamitan’Atoa Andry Nirina Rajoelina sy ny governemanta tarihan’Atoa Omer Beriziky eto Madagasikara. Tsy hisy ihany koa ny olona hafa hitondra ny firenena aorianan’ity Tetezamita ity. Tsy misy vahaolana ara-politika eto Madagasikara ho famahana ny krizy afa-tsy ny fanatanterahana ny planin’Andriamanitra ihany. Koa manainga ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka izahay hiara-kisalahy ho fanatanterahana io planin’Andriamanitra io amin’ny fanaovana indray ny fitsapan-kevi-bahoaka ny volavolan-dalàmpanorenenan’ny Fanjakan’Andriamanitra izay kasaina hatao ny zoma 4 oktobra 2013.
Fitsapan-kevi-bahoaka izay tsy mila vola fanampiana avy any ivelany. Raha tanteraka io planin’Andriamanitra io dia izay vao hiverina ny fihavanana Malagasy satria fanendrena na “désignation” no isafidianana ny mpitondra fa tsy amin’ny alalan’ny fifidianana intsony ary ho tanterahan’Andriamanitra kosa ho setriny ireo fampanantenana izay nataony ao anatin’ny Soratra Masina ka ho lasa firenena voalohany amin’ny firenena matanjaka eran-tany ny firenena Malagasy aorianan’ny faha-4 oktobra.
TT: Sao dia mba fampanantenana poakaty indray izany ataonareo izany ?
AR : Ho lava ny resaka fa misy boky nosoratako mitondra ny lohateny hoe : “Ny teokrasia ara-Baiboly sy i Madagasikara demokratika” mba jereo kely azafady. Ao daholo ny fanazavana feno mahakasika ny atao hoe “Teokrasia”, ny Tavan’Andriamanitra, ny hafatr’Andriamanitra sy ny Zanany, ny rafim-panjakana hampan-karena ny Malagasy, ny fivavahana ara-panjakana, ny fivavahana silamo sy ny teokratisma, ny amin’io Fanjakan’Andriamanitra hipetraka aorian’ny tetezamitan’Atoa Rajoelina io, ary ny famaliana ny fanontaniana hoe : “mbola hisy ve ny fihavian’ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra ?”. ka lazaiko etoana fa manomboka amin’ity taona ity ihany fa tsy miandry amin’ny taona manaraka, eny fa na izao ankehitriny izao aza ny Malagasy no hanapa-kevitra, rahampitso ihany dia ho voavaha daholo ireo tena olana mianjady ny isan-tokantrano Malagasy tsirairay avy. Ka atsipy ny tady an-tandroky ny omby, atsipy ny teny am-pon’ny mahalala !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.