Politique

Raharam-panjakana sy akamakama Mifangaro sahady…


  • Talata 12 Martsa 2019

Tsy tao anatin’ny fampitam-baovao ofisialy naparitaky ny fiadidiana ny repoblika momba ireo delegasionina miaraka amin’ny filoham-pirenena manao fitsidihana ofisialy any Maorisy nanomboka nyalahady teo ny anaran’ilay mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga;

 

 

 

 saingy ny sary avy any an-toerana no nahitana fa any tokoa ny lehilahy ary miray latabatra miaraka amin’ny delegasionina ofisialy misy ny filoha sy ireo minisitra vitsivitsy nandritra ny fihaonana tamin’ny mpitondra fanjakana Maorisianina. Ireto avy ny mandrafitra ny delegasionina miaraka amin’ny filoham-pirenena mivady, raha ny fampitam-baovao ofisialy :Valéry Ramonjavelo,  Sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika; ny Tale Kabinetran’ny fiadidian’ny Repoblika Stéphanie Delmotte; ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina;  ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard, ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika Félicité Rejo-Fienena, ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro Joël Randriamandranto, ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ary ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asa tànana Rakotomalala Lantosoa.Tsy nisy ny filazana ofisialy fa hoe nitondra mpandraharaha na solontenan’ireo mpandraharaha Malagasy ny filoha Rajoelina mandritra izao diany izao; tsy nanambara ihany koa fa hoe manana solontena lasa any Maorisy ireo fikambanana na vondron’ny mpandraharaha misy eto Madagasikara.Ka mampametram-panontaniana noho izany ny maha any an-toerana an’Atoa Mamy Ravatomanga : amin’ny maha mpandraharaha azy ve ? Amin’ny maha namana akaikin’ny filoha azy ve ? Sa efa mpanolotsaina manokana ve izy, raha eny, oviana ny fanendrena azy sy ny fanambarana ny momba izany ? Hafahafa sy mahalasa saina ny zava-misy eo anatrehan’izany. Tsara ny manamarika fa ny faramparan’ny taona 2018 dia nisy ny fanadihadiana nataon’ny fitsarana Frantsay nangatahana fiaraha-miasa tamin’ny manam-pahefana tao Maorisy momba ny dosie Mamy Ravatomanga noho ny raharaha samihafa mahasaringotra azy, saingy nanda mafy izany ny fanjakana Maorisianina.Ny malaza hatrizay aloha dia mpinamana tsy mifankafoy i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga, ary mazava izao fa tahaka ny zanak’an-trano ao an-dapa ity mpandraharaha ity ka tafiditra anaty delegasionina ofisialy amina fitsidihana ara-panjakana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT