Namoaka fanambarana mahakasika ny raharaha any Venezuela amin’izao tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Maherin’ny 2,3 tapitrisa ireo mpitsoa-ponenana ary am-polony maro no maty noho ny antony ara-politika hatramin’ny nanombohan’ny krizy, hoy izy. Amin’ny maha olombelona dia tsy azo ekena, raha ny nambarany. Miombon-kevitra amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena i Andry Rajoelina amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana malalaka, ara-demokratika, eken’ny rehetra ary tsy mitanila. Manohana an’i Juan Guaido aho ary mankahery amin’ny tolona tarihiny hahatongavan’ny fireneny sy vahoakan’i Venezuela hahazo ny fahafahana sy hetaheta amin’ny fanovana, indrindra ny rivo-panovana any amin’ity firenen-dehibe any Amerika Atsimo ity. Mazava ny resaka eto fa mirona mankany amin’ireo firenena tandrefana dia ny Amerikanina sy ny Eoropeanina i Madagasikara momba ny krizy any Venezuela, ka manaiky aloha an’ilay nisora-tena ho filoha vonjimaika ka miantso ny hisian’ny fifidianana.Safidy politika tsy atao mahagaga firy satria tena mbola mila ny fanampian’ireo mpamatsy vola mahazatra izay manana tetikasa mandeha sy mbola mety ho avy eto i Madagasikara.Miha mazava kosa izany izao fa nanifika ny Rosianina ny fanjakana Rajoelina satria nandray safidy politika mifanaraka amin-dry zareo tandrefana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.