Raharahan’i Madagasikara

> Hodinihina any Addis Abeba amin’ny 06 septambra


  • Alatsinainy 02 Septambra 2013

Nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’i Vakinankaratra araka ny fampanantenany ny filoha Ravalomanana ny sabotsy 31 aogositra lasa teo tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe. Nambarany tamin’izany fa nahomby ny fifandresen-dahatra nataony tamin’ny vondrona SADC.

Porofo hoy izy ny nanemorana ny fanotana ny biletà tokana ao Afrika Atsimo. Na dia nanao izay azony natao azy ingahy Chissano amin’ny tsy maintsy hanaovana izany dia tsy raikitra fa miandry ny fihaonany amin’ny GIC-M amin’ny 06 septambra izao izany. Nangataka tamin’ireo firenena namana izay mpandala ny tena demokrasia ny tenako, hoy Atoa Marc Ravalomanana mba handinihana tsara ny raharahan’i Madagasikara satria hevitry ny olom-bitsy sy ny fitsabahan’ny vahiny izay tsy mahalala ny olan’ny malagasy no tsy hivahan’ny olana. Betsaka ny fepetra tsy tanteraka raha tsy hilaza fotsiny fa mody tsy misy fepetra ny sesitany, ary ny fifidianana fihodinana faharoa dia ao anatin’ny fahavaratra ka niangavy ny hijerena izany ny tenako, hoy ny filoha teo aloha. Ny zavatra nangatahiny tamin’ireo mpiaradia aminy dia ny fanarahana hatrany ny toromarika omeny fa «tsy mbola resy izany isika fa tsy maintsy mandresy hatrany ny Zanak’i Dada».

«Efa niaiky izany ireo firenen-dehibe fa matanjaka ny Zanak’i Dada sy ny ankolafy Ravalomanana ka tsy isika indray no hatahotra fifidianana fa mila izany ho madio sy mangarahara isika ka izay no nangatahako ny hanafoanana io fifidianana io na koa hanemorana azy satria tsy mandray anjara amin’io isika ka izay no nahatonga ny GIC-M hivory amin’ny 06 septambra ho avy izao any Addis Abeba, izay handinika indray ny raharahan’i Madagasikara». Nambaran’Atoa Marc Ravalomanana koa fa nisy ireo nikasa ny hampihaona azy sy i Joaquim Chissano tany Afrika Atsimo saingy «tsy nety nihaona taminy aho ary izy koa tsy nandà». Nahona no misy ny fanilikilihina ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana ? Nahoana no tsy tanterahina tsy misy fepetra ny tondrozotra ? Tsy matoky azy (Chissano) intsony ny tenako satria izy dia mpivadibadika fa angamba efa voky any ambadika any izy. Nambarany moa fa hilaza vaovao indray izy amin’ny sabotsy izao, miandry izay fanapahan-kevitra amin’ny fivorian’ny GIC-M. Samia miomana, hoy izy fa tsy misy matahotra fifidianana izany eto.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT