Politique

Raharaham-pitsarana Hifanotona ny BANI sy FIGN


  • Alarobia 21 Martsa 2012

Miditra amin’ny andro fahatelo anio ny fitsarana ny raharaha BANI 2010.

 Nanamarika ny andro omaly ny fivoahan’ireo manamboninahitra maromaro voampanga ny efitrano faha-4 teo anivon’ny fitsarana momba ny ady heloka bevava Anosy andinihana ity raharaha ity noho ny fandavan’izy ireo hotsaraina fa mitaky ny hampiharana ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra izay efa lasa lalàna 2011-014 rahateo. Na izany aza dia nisy ireo nanaiky hiatrika ny fitsarana, dia ireo sivily roa ny Pr Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy Ranjeva Riana Henriette, sy ny kolonely Assolant Coutiti sy ny kolonely Rabezandry. Ankoatra azy ireo dia nisy vavolombelona miisa 7 koa nohenoina tao anatin’ity raharaha ity. Voatonona matetika nandritra fifandaharana ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika na CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André. Voalaza tamin’izany fa nahazo fahazoan-dalana tamin’ity farany ny fananganana ny CMSP na ilay komity miaramila ho fanavotam-pirenena izay nivondronan’ireto manamboninahitra, avy amina vondron-tafikasa mihafa, voampanga ireto.

Marihina fa tsy nipoitra teny Anosy mihitsy ny CEMGAM nandritra izay roa andro voalohany izay, asa izay hitranga amin’ity anio ity. Nifarana tamin’ny famakiana ny fanenjehana ireo manamboninahitra ireo ny fotoana omaly. Ny zavatra tsikaritra dia niova ny fitantanana ity raharaha ity tsy toy ny tamin’ny nitsarana ny raharaha “7 febroary 2009”, nanenjehana an’i Marc Ravalomanana, izay natao lavalina ka namoahana didim-pitsarana amin’ny andro mangiran-dratsin’ny sabotsy 28 aogositra 2010. Maka tsy taitra ny mpitsara, ka raha izao no fizotrany dia mety hifanotona amin’ny fitsarana ny raharaha FIGN ity raharaha BANI ity. Voalahatra hotsaraina rahampitso alakamisy 22 martsa 2012 koa mantsy ity tranga teny Fort-Duchesne tamin’ny 20 mey 2010 ity, izay nihetsehan’ny zandarin’ny hery vonjitaitra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT