Politique

Raharaham-pirenena Vara-datsaka ny fanambaran’ny SECES


  • Talata 12 Septambra 2017

Hentitra ny fanambaran’ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) Sampana Antananarivo omaly alatsinainy 11 septambra, manoloana ny fikorontanan’ny raharaham-pirenena.

 

 “Voahitsakitsaka ny Lalàmpanorenana, tsy voahaja ny tany tan-dalàna, tsy matoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka,.... Mihatafiditra any anaty kizon’ny fahantrana ny vahoaka maro an’isa, ka zary lasa ankilabao ny Malagasy mitaha amin’ny vahiny”, hoy ny SECES. Tsy misy ny mangarahara, manjaka tanteraka ny gaboraraka, kanefa minia mikipy sy manao be marenina ny mpitondra manoloana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena, ny fakana an-keriny ny tanin’ireo valalabemandry ataon’ny vahiny. Andraikitry ny mpitondra ny miantoka ny zo fototra ananan’ny tsirairay, toy ny fahalalahana maneho hevitra, ny fiantohana ny fandriampahalemana, ny fampiharana tsy mitanila ny lalàna velona ... Takiana ny fampodiana an-tanindrazana ireo rehetra nandositra ny raharaham-pitsarana sy voarohirohy amina fanodinkodinam-bolam-bahoaka sy nanondrana harem-pirenena tsy ara-dalàna. Mila havaozina sy ampahafantarina ny besinimaro ireo didy aman-dalàna mikasika ny fananan-tany, ny fitrandrahana ireo harena, na ambany izany na ambonin’ny tany mba hisorohana ny fanaovana tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena, ny famelana ireo teratany vahiny hanao rapa-dango, ka haka an-keriny ny tany voajary efa an-taonany maro, hitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo harena an-tanety sy an-dranomasina, toy ny ao Ambatolampy kaominina Ambinaninony Brickaville, Marolambo, Soamahamanina, Fandriana, Bealanana ... Masimandidy eto amin’ny tanindrazany ny Malagasy, izay tsy azo amidy na sandaina vola amin’ireo vahiny, ka tsy azo ekena ny mety hisiana fifindra-monina faobe ataon’ireo teratany vahiny aty amintsika na avy aiza na avy aiza. Miantso sy manentana hatrany kosa an’ireo mpandraharaha vahiny mba hampiasa ny volany araka ny lalàna velona mba ho fanoitry ny lafiny toekarena. Tsy azo hatao tompon-trano mihono ny vahoaka eny ifotony amin’ny fanitarana na fanamboarana fotodrafitrasa lehibe ary tsy misy asa azo tanterahina raha manohintohina ny tombontsoan’izy ireo, toy ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tokony hatao ny fikaonandoham-pirenena handinihana ny fanovana ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna mifehy ny fifidianana mba hialana amin’ny olana na fikatsoana aorian’ny fifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT