Mafana ny toe-draharaha ao Toamasina, ary tsapa ho manana alahelo na tsy faly amin’ny fanjakana sy ny Filoha Rajoelina ny vahoaka any an-toerana.
Manaporofo izany ireny zava-niseho ny takarivan’ny alarobia 3 jona ireny. Kazarana pitik’afo ilay raharaha voalaza fa nisiana herisetra tamina tovolahy iray, fa efa niotrika ny tsy fahafaliana. Ny 7 mey dia naneho ny Filoha fa misy ny mafy loha ao Toamasina. Voakihana mafy i Toamasina, ary andro vitsy taorian’iny dia nilaza ny Depiote Roland Ratsiraka fa ny avy aty Antananarivo no nampiditra coronavirus tany voalohany, ka amboary ny serasera. Ny alahady teo, dia nandoka sy naneho ny Filoha fa ny Faritra Matsiatra Ambony no tompondaka tamin’ny ady amin’ny coronavirus. Mampiseho fihenjanana kosa ho an’i Toamasina amin’ny fepetra noraisina, izay mety raisin’ny vahoaka any an-toerana ho sazy. Fanampiana sy tohana ary indrindra fanatanterahana ireo fampanantenana no andrasan’ny mponina, saingy mpitandro filaminana an-jantonjantony toa tonga hampandry tany no mirantiranty eraky ny tanàna. Maro ireo nahatsapa fa toa adinodino sy tsy noraharahiana i Toamasina, fa tato aoriana vao nojerena ary ampahana olona no nisitraka tohana. Maro ireo raharaha mafampana, toa ilay fanenjehana ny Pr Ralandison Stéphan, ny resaka andrana fanafody tsindrona hoe nahoana no vahoakan’i Toamasina no hanaovana izany,… Nanome tsiny ny Filoham-pirenena ireo Vondron’olona mitonona ho Raiamandreny miaro an’i Toamasina ny alarobia teo, fa misy hadisoana sy tandevaka goavana nataon’ny Filoham-pirenena ny nidiran’ny covid-19 teto tamin’ny tsy fanidiana ny sisin-tany, ary nanome fe-potoana 72ora hametrahan’i Andry Rajoelina fialana. Tsy tongatonga ho azy ireny rehetra ireny, izay tsy voatery ho ambadika politika fa mety ho mariky ny fahatezeram-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.