Politique

Raharaham-pirenena Roso ho amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena


  • Zoma 01 Jolay 2016

Vaovao mbola mitana ny sain’ny maro ary anisan’ny fototry ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy famakafakan’ny mpanao politika iny fipoahana nahafatesana olona teny Mahamasina, ny harivan’ny 26 jona, fankalazana ny fetim-pirenena iny.

Nanao teny fihantsiana mantsy ny mpitondra nanilika avy hatrany ny rihitra any amin'ny mpanohitra ho tompon’antoka tamin’iny raharaha iny, nefa tsy nanomboka akory ny fanadihadiana. Ny nahagaga ny maro anefa dia ny fiovaovan’ny fampitaom-vaovao ataon’ny fanjakana taorian’iny tranga iny. Tsy hiteraka fitoniana eto amin’ny firenena iny, hoy ny fanehoan-kevitra re etsy sy eroa. Rahampitso sabotsy izao dia milaza ny hilahatra an-dalambe tsy haka fahazoan-dalana ny antoko Aro Riaka. Fihantsiana mpitondra sy mpitandro ny filaminana, tsy mihoatra an’izany. Etsy an-kilany i Alain Andriamiseza efa manipitsipy resaka ny hivondronan’ny mpanohitra. Ny hirahiran’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, tany Toamasina ny 18 jona 2016 nanombohan’ny Arema ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko, toa miantso ny olona hiaraka aminy, tsy fantatra ny tiany hahatongavana. Etsy an-kilan’izay anefa ny fitondrana miventy mandrakariva ny tsy maintsy hampiantranoan’i Madagasikara ireo fihaonana an-tampony in-droa miantoana amin’ity taona 2016 ity, dia ny an’ny vondrom-pifanakalozana ara-barotra COMESA sy ny Frankôfônia. Tsy ho tontosa anefa ireo raha tsy ao anatin’ny fitoniana, ka eo no mahatonga ny mpanao famakafakana politika milaza fa tsy azo hihodivirana ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT