Politique

Raharaham-pirenena “Ovay ny famindra, ovay ny toe-tsaina !”, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Namatsapatsaka mafy ny Fivondronamben’ny Eveka manoloana ny zava-misy eto Madagasikara.

 Fototry ny aretina manimba ny firenena, hoy izy ireo ny resaka politika satria ady seza sy fitiavam-bola ary fihatsaram-belatsihy no mibahan-toerana. Mody sarontsaronana amin’ny hoe fitiavan-tanindrazana sy tombontsoa ambonin’ny firenena izany. Ny ao ambadika anefa, araka ny fanambarana dia fitiavan-tena, kitranoantrano, fandrobana ny harem-pirenena, hany ka lasa takalon’aina ny vahoaka madinika sady mijaly. Manampy trotraka izany, lasa afa-baraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tanindrazana. Fitantanana tsara tantana no nandrasana, hoy ihany ireto Eveka kanefa dia fandrobana ny harem-pirenena toy ny volamena, ny andramena, ny vatosoa ary ny kolikoly no manjaka. Fandavorariana ny zava-boary koa no nanirahan’Andriamanitra antsika kinanjo fanapotehana sy fandravana no atao.

Ankoatra izay, fianakaviana mirindra sy milamina tao anatin’ny fihavanana nolovana tamin’ny fahendren’ireo razantsika no nampivelatra ny maha olona kanefa noho ny fanarahantsika an-jambany ireo firehan-kevitra moderna dia mikorontana ny tokantrano, very ny fifanajana eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Fanjakana tan-dalàna no dradradradraina etsy sy eroa kanefa ny vahoaka mahatsapa fa tsy misy ianteherany ka miavo-tena amin’izay hahavelona azy.

Very ny fiandrianan’ny firenena, hoy ihany ireo Eveka satria mahazo antsika ny zava-misy atsy Afrika dia izay firenena misy harena ankibon’ny tany dia mananontanona azy ny ady an-trano, miroborobo koa ny sekta miaraka amin’ny antoko politika. Voka-dratsin’ny politika avokoa ireo, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka. “Raha tia tanindrazana marina isika ka hitady ny soa iombonana dia ovay ny famindra, ovay ny toe-tsaina. Amin’ny alalan’ny fifidianana marina no hahatongavantsika amin’ny fanjakana tan-dalana”, hoy ihany izy ireo. Manoloana ireo rehetra ireo dia heverin’ireo raiamandreny am-panahy fa mitaky fibebahana ny toe-piainantsika. Miantso ireo mpanao politika na eo amin’ny fitondrana na tsia mba hihaino ny feon’ny fieritreretana, ampitsahatra ny adilahy politika. Mila miara-mijery ny hahasoa ny vahoaka madinika sy ny tanindrazana izy ireo, hampisy ny asa sy ny fivelomana ary hampanjaka ny fandriampahalemana sy ny rariny ary ny hitsiny. Miantso ny vahoaka koa ny Eveka mba tsy hiraviravy tanana fa vonona hifanabe, eo koa ny fanamafisana ny finoana. 23 moa ireo eveka nikaon-doha teto an-drenivohitra ka namoaka io fanambarana io tamin’ity volana novambra ity.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT