Politique

Raharaham-pirenena Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo Parlemantera teo aloha


  • Zoma 20 Jolay 2012

Noho ny fahitana ny zava-misy eto amin’ny firenena izay efa halohalika ny ranombary, mitaraina ny vahoaka tsy mandady harona amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ka mampandry sy lavo loha ny vahoaka efa ao anaty fahantrana isan-tsokajiny, dia mijoro ireo depiote sy Senatera teo aloha tsy ao anaty fitondrana.

 Nisy efa mpikambana tao amin’ny Kongresy na Filankevitra ambonin’ny tetezamita, fa nisy koa ireo tsy niverina mihitsy. Izahay tsy niteny ary tsy nanenjika ny fitondrana hatreto, hoy izy ireo, fa ankehitriny dia mijoro ary mitondra ny feon’ireo vahoaka, indrindra ireo nifidy anay ka manao antso avo izahay. Voalohany, tena ilaina ny fihaonan’Atoa Andry Rajoelina Filohan’ny Tetezamita sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana noho ny maha tompon’andraikitra voalohany azy ireo. Takianay amin’izy mianaka ny fifandeferana ka ny hoavin’ny vahoaka no tsinjovina fa ajanona kosa ny hambom-po politika diso toerana satria ny kely tsy mba mamindro no mizaka ny tsy eran’ny aina. Nambaran-dry zareo fa io fihaonana io dia mba ho fihaonana farany ka hisy amin’izay ny vokatra azon’ny vahoaka Malagasy tsapain-tanana.

Mampiaka-peo ny sendikan’ny mpiasam-panjakana mitaky ny fanatsarana ny karamany mba hifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, ary raha tsy nahazo fahafaham-po ny SEMPAMA sy ny Mpitsara dia efa mitaky ny azy koa ny Mpitsabo sy ny Mpitsabo mpanampy. Ahiana ihany koa ny hisian’ny taona fotsy eo amin’ny Anjerimanontolo raha tsy misy fepetra raisin’ny fitondrana tetezamita ao amin’ny fotoana fohy. Koa satria tsy azo atao ny mijery fotsiny rehefa latsaka an-katerena ny firenena, dia mitondra ny anjara birikinay eo amin’ny fanarenana ny firenena izahay, hoy ireto Parlemantera taloha ireto, satria efa nomen’ireo vahoaka ny fitokisany tamin’ny nifidianany anay ho solontenan’izy ireo. «Ny firarianay dia ny hisian’ny fifidianana madio mangarahara, eken’ny rehetra, ary vonona izahay ny hifanome tanana amin’izany, mety ho fandraisana anjara mivantana izany, nefa mety an-kolaka ihany koa amin’ny alalan’ny torohevitra isan-karazany.

Fomba fiasanay rahateo ny fanaovana atrikasa, valandresaka, loabary an-dasy ary fidinana any ifotony rehefa misy olana goavana eny amin’ny fiarahamonina». Tsara ny manamarika fa namaky ny fanambarana tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Radama Hotel omaly ny depioten’i Mitsinjo teo aloha Randrianjafy Guy Francis. Anisan’ny tazana teo anilany ny depiote isany Randrimandimbisoa Félix (Antananarivo IV), Andrianjafimahatratra Solofo (Antananarivo VI), Dr Rasoanaivo Elie Odon Fidèle (Ambatondrazaka), Randriamanantena Rodolphe (Andramasina), Zakandrainy Jean Victor (Besalampy), Senatera Fernand Jeannot (Betsiboka), Senatera Impirina Jean de la Croix (Analanjirofo)…

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT