Politique

Raharaham-pirenena Niala tamin’ny fahanginany ireo mpanao politika ao Tolagnaro


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Efa mampiteny ny moana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

 Niala tamin’ny fahanginany ary dia nifamory tao Tanambao Besonjo, tao amin-dRasolonirainy Armand, ny talata 06 septambra teo ireo vondrona politika sy fikambanana maromaro niaraka tamin’ireo tanora mitana andraikitra ambony ao an-toerana ary ireo olobe ao an-tanàna. Mahatsapa izy ireo fa ny tsy fananana filoham-pirenena voafidim-bahoaka no mampikatso ny firenena anatin’izao tetezamita izao, eo ihany koa ny tsy mbola fahavitan’ny sonia ilay tondrozotra nasiam-panitsiana tany Sandton ka mampihisatra ny krizy.

Nisy ny fehin-kevitra noraisin’izy ireo manoloana izany, toy ny hoe tokony hotanterahina eto Madagasikara ny fihaonambe an-tampony andraisan’ireo filoham-pirenena teo aloha anjara, soniavina ny fifanarahana politika ary tanterahin’ny rehetra, avela malalaka hiverina an-tanindrazana ireo rehetra nanao sesitany ny tenany noho ny raharaha politika, avoaka ny fonja ireo gadra politika, ajoro ny tetezamita iaraha-mitantana, tanterahana ny fampihavanam-pirenena, mba tsy hisian’ny lonilony intsony eo amin’ny samy Malagasy hamerenana ny fifampitokisana sy ny fifanajana ary ny filaminana mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana mangarahara hanorenana ny Repoblika faha-4, ka tolo-kevitr’izy ireo ny hanatanterahana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Nohamafisin’ireto solontenan’ny mpanao politika niatrika ny fivoriana tao Tanambao Besonjo ireto koa fa manomboka izao dia hihetsika hanohitra ny tsy rariny eto firenena.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT