Politique

Raharaham-pirenena Mikoropaka ny fitondrana


  • Talata 22 Mey 2012

Mihazakazaka ny fivoaran’ny raharaham-pirenena taorian’ny zava-nitranga teto Antananarivo ny sabotsy 19 mey teo. Sesilany indray ny fanambarana avy amin’ny mpitondra.

 Teo ny filazana fa dia misokatra amin’ny fifampiresahana i Andry Rajoelina ary vonona hanao fifanarahana politika mikasika ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana. Nambaran’ireo mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny tetezamita hatramin’ny alahady teo fa dia hisy fanambarana hataon’i Andry Rajoelina anio tolakandro. Omaly indray dia niteny ihany koa ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, Beriziky Jean Omer, miantso ny hifanantonan’ireo ankolafy roa fototry ny olona, dia ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina mba hifampidinika ho amin’ny tombontsoam-pirenena. Nanamafy koa ny tenany fa zo fototra ary eken’izao tontolo izao ny fahalalahana maneho hevitra nefa tsy tokony hanohintohina ny filaminam-bahoaka izany. Mikasika izay indrindra dia nanao fanambarana koa omaly ny Emmo-Nat, ivondronan’ireo lehiben’ny fibaikoana eo anivon’ny zandary, tafika ary ny polisim-pirenena.

Nilaza izy ireo fa tsy hilefitra amin’ireo izay manakorontana fa hisambotra avy hatrany. Ho an’ny mpandinika politika dia mibaribary amin’izao fa mikoropaka ny mpitondra, indrindra taorian’ny fanambarana nataon’ny fivondronan’ireo mpiasam-panjakana omaly, izay nanome 72 ora ny mpitondra hitadiavam-bahaolana amin’izao fikatsoana eto amin’ny firenena izao. Teo koa ny fanambarana nataona vondrona miaramila avy amin’ny andiany faha-10, 11 ary 12, ao anatin’izany “Coordination Nationale des Officiers” izany. Etsy ankilany ny ankolafy Ravalomanana dia mbola manohy ny fampihantonan’ny tsy fandraisany anjara ao anaty rafitry ny tetezamita, raha tsy mihatra ara-bakiteny ny voalazan’ny andininy faha-16, 17, 20 ao amin’ny tondrozotra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT