Politique

Raharaham-pirenena Mikatso tanteraka, hoy ny ACS


  • Sabotsy 06 Aogositra 2016

Nanao antso ho an’ny Malagasy maneran-tany omaly teny amin’ny Panorama Andrainarivo ireo loholona tranainy mivondrona ao anatin’ny “

Amicale des anciens conseillers supérieurs et sénateurs de Madagascar” na ny ACS ahitana an-dry Ralison Roger sy Harinaivo Rasamoelina. Mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena, hoy izy ireo, hany ka very fanahy mbola velona sy misavoritaka ny Malagasy. Mahazo vahana tanteraka ny kolikoly ka mamono sy mampiraviravy tanana ny ankamaroan’ny olona. Tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny ankabeazan’ireo fampanantenana natao ka mahatsiaro voafitaka ny olom-pirenena manoloana ny zava-misy. Mitaraina ny Malagasy noho ny famiravirana azy ireo eto amin’ny taniny ary nivadika an-kitsirano namono ny vahoaka Malagasy mpamelona azy ireo mpanao fanamiana sasantsasany nomem-basy nantenaina ho “tandroka aron’ny vozona”. Sesilany ihany koa ny fitakiana sy ny fijoroan’ny olom-pirenena maro tia tanindrazana nampaneno lakolosy fambara loza manerana ny nosy. Manoloana izany ary dia nilaza ireto loholona tranainy ireto fa manana adidy lehibe eo anatrehan’ny fangirifiriana mafy mianjady amin’ny firenena ankehitriny. Vahaolana naroson’izy ireo ary fiarahan’ny olom-pirenena rehetra mitady marimaritra iraisana hivoahana amin’izao fasahiranana izao ary nisy ny fanomanana ilay antsoin’izy ireo hoe “volavolan-dina sy volavola lamin-drafitra” na “projet de convention et de structure” izay kasain’izy ireo harafitra ho lalàna fototra vaovao mihitsy.

Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT