Politique

Raharaham-pirenena Mangingina ny FIS


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Tato ho ato dia nangingina ny FIS. Ny lehiben'izy ireo mihitsy no tsy dia hita niseho vahoaka firy intsony.

 Nisy ny tafa nataon'ny Fis tamin'ny mpanao gazety, volana vitsy lasa izay, mikasika ilay jiolahy tratran'izy ireo tany Mahajanga ary nikasa hitsoaka rehefa tonga taty an-drenivohitra ka voatery notifirina ary maty. Tsy ny lehiben'ny FIS no nanao ny tafa fa ireo ambony galona manaraka azy. Ny zavatra tsapa ihany koa dia tsy mandeha irery intsony ny FIS tao ho ao rehefa manatanteraka hetsika fa tsy maintsy miaraka amin'ny zandary hatrany na ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana na ireo any amin'ny faritany. Tsy tahaka ny mahazatra ny amin'ny hoe manao hetsika manokana intsony izy ireo.

Anisan'ireny ny tany Mahajanga izay hetsika farany fantatra fa notanterahin'ity vondrona manokana amin'ny mpitandro ny filaminana ity. Tany mantsy dia niaraka tamin'ny zandary tany an-toerana izy ireo. Fantatra ihany koa ny FIS fa anisan'ireo teny Ivato tamin'ny sabotsy saingy mbola nandray baiko tamin'ny lehiben'ny Emmo-Reg ihany koa izy ireo teny fa tsy nanao hetsika manokana. Inona daholo ny dikan'izany ? Izay ve no fantanterahana ny baikon'ny masoivoho frantsay izay nanakiana mafy ity FIS ity tamin’ny 14 jolay 2010 ? Midika ho fanafoanana tsikelikey ity vondrona ity ihany ko ve izao zava-misy izao ? Tsikaritra kosa anefa fa mbola mila ny FIS ny filohan'ny FAT, indrindra amin'ny fiambenana azy rehefa miala eny an-tranony hihazo ny lapa eny Ambohitsorohitra na Iavoloha. Hita manaraka ny “cortège” eny hatrany mantsy ny fiara misy soratra hoe FIS.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT