ao amin’ny antenimiera, saingy tsy tena mahalala sy tsy manana porofo amin’ny fanangonan-tsonia fanonganana ny praiminisitra, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa filohan’ny Antenimieram-pirenena.
Tsy misy fanangonan-tsonia ary ny mpanohitra tahaka ny TIM aza tsy manao izany. Ny depiote IRD dia miray fo sy miray asa 100% aminy, hoy ny depiote Andry Ratsivahiny. Raha hiverenana ny tantara, efa taorian’ny tolon’ny depiote 73 ny 21 aprily 2018 io no adihevitra be satria tsy nankato an’Atoa Ntsay Christian ireo depiote MAPAR tamin’izany, saingy tsy afa-nanoatra ary nanaiky tsy fidiny. Mbola adihevitra ny namerenana azy teo rehefa lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina ny janoary 2019 ary nisy ny ningonongonona fa tokony ho olon-kafa amin’izay satria sady tsy nifofotra no tsy nively vy izy tamin’ny tolona natao sy ny fametrahana an-dRajoelina teo amin’ny fahefana. Mbola te hitazona ny praiminisitra tokoa ihany koa ve ny filoha sa tsy afa-manoatra amin’ny baikon’ny iraisam-pirenena ka mety manetsika ny olony amin’izay ? Na ho raikitra io na tsia na misy na tsia dia somary marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna. Mifampiandry kendritohina ny antenimierandoholona sy ny fahefana mpanatanteraka satria mikatsaka ny hanao fifidianana loholona mialoha ny fotoana ny fanjakana ankoatra ny endrika fahirano. Io fa mieloelo ny resaka fanonganana ny praiminisitra. Vao tsy ela no nanolo governemanta, ka ho fiaingana vaovao indray, raha hisy tokoa ny fanalana praiminisitra. Hafampana ny toe-draharaha politika amin’ity 2020 ity, ary tsy tongatonga ho azy ny fifohazana nataon’ireo heverina fa efa nangingina tany tahaka ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova vao tsy ela. Hisy fanonganam-panjakana eto amin’ity taona 2020 ity, hoy ny Pasitera Mailhol, herinandro vitsy izay. Asa inona tokoa re no hitranga ?
Toky R sy Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.